"Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany." - Rôm. 12:1.
Mofon’aina:
Raha ireo olona mandray anjara amin’ity sehatr’asa ity [ny tobim-pahasalamana ao Battle Creek] no mitsahatra tsy hijery ny asany amin'ny fombam-pivavahana intsony ka midina miala amin ny foto-kevitry ny fahamarinana ankehitriny mba tahaka ny hevitra sy ny fomba fanaon'ireo olona mpitondra toeram-pitsaboana izay tsy mikendry afa-tsy ny fanasitranana ny marary, dia tsy hitoetra amin' ny toeram-pitsaboantsika ny fitahiana manokana avy amin' Andriamanitra, tahaka ny tsy itoerany amin'ireny toerana izay ampianarana sy ampiharana kevitra mitotongana ireny.
Hitako fa misy asa tena mivelatra izay tsy ho tanteraka ao anatin'ny fotoana fohy, satria tsy mora ny hitady mpitsabo izay ankasitrahan' Andriamanitra sy hiasa hiaraka ao anaty firindrana, amim-pahafoizan-tena jotom-po sy amin-jotopo ho fanamaivanana ny fahorian'ny taranak'olombelona.Tokony hataontsika miharihary eo anatrehantsikamandrakariva fa ny tanjona lehibe kendrena amin'ity asa ity dia tsy fahasalamana ihany, fa fahatanterahana sy ny fanahin'ny fahamasinana, izay tsy ho tratra ao anatin'ny vatana sy saina marary. Izany tanjona izany dia tsy ho tratra amin'ny fomba fiasa araka izao tontolo izao fotsiny. Andriamanitra dia hanangana lehilahy sy vehivavy ary hanofana azy mba hiditra an-tsehatra amin’ny asa, tsy amin'ny maha-mpitsabo ny vatana azy fotsiny, fa hitsabo koa ny fanahy izay mararin'ny fahotana, ary ho ray aman-dreny ara-panahy ho an'ny tanora sy izay mila fanabeazana. (...)
Ireo izay ianjadiam-pahavoazana noho ny fiasana saina be loatra dia tokony hitsahatra ka tsy hieritreritra zava-manahirana. Kanefa ny fampianarana azy fa tsy mampidi-doza mihitsy ny mampiasa betsaka ny herin-tsainy dia hahatonga azy hihevitra fa ratsy lavitra noho ny tena izy ny fahavoazany. (...)
Ireo izay ianjadiam-pahavoazana noho ny fampiasam-batana tafahoatra dia tokony hampihena ny asa ataony, ary tsy hanao afa-tsy izay asa maivana sy mahafinaritra (...) Kanefa ny fampitsaharana tanteraka azy tsy hiasa sy tsy hanao fampiasan-tena mihitsy dia azo antoka fa hitondra voka-dratsy ho azy ireo (...) Ny tsy fanaovana na inona na inona no tena mitera-doza indrindra amin'ny tranga toy izany. (...) - TFC b. 1, tt. 554-556.