Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fivelarana mitondra soa lehibe

Daty
Alahady 12 October 2025

"Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany. Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na mati-antoka izany izy? " Lio. 9:24,25. 

Mofon’aina:
Aina iray ihany no omena antsika, ary ny fanontaniana tokony hipetraka amin’ny tsirairay dia ny hoe: “amin’ny fomba ahoana no ahafahako mampiasa ny heriko mba hitondra tombontsoa be indrindra? Ahoana no fomba tsara indrindra ahazoako manome voninahitra an’Andriamanitra sy manasoa ny mpiara-belona amiko?” Satria ny hany maha-sarobidy ny fiainana dia ny fampiasana azy hoenti-manatratra ireo tanjona ireo.

Ny adidintsika voalohany amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika dia ny hampivelatra ny tenantsika manokana. Ny fahaiza-manao rehetra izay nankinin’Andriamanitra tamintsika dia tokony hampivelarina amin’ny fahafenoany ambony indrindra, mba ahafahantsika manao ny soa be indrindra mety vitantsika. Koa tsara ny fampiasana ny fotoana ho amin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina. Tsy misy azontsika avela ho tsizarizary na manan-kilema ny fiasan’ny vatantsika sy ny saintsika. Raha manao izany isika dia tsy maintsy hizaka ny vokany.

Ny olona rehetra dia manana fahafahana malalaka tsara hamolavola ny tenany araka ny safidiny. Ny fitahiana eto amin’izao fiainana izao, sy ny hahazo ny tsy fahafatesana, dia eo am-pelatanan’ny tsirairay. Azon’ny olona atao ny hamolavola toetra sarobidy, ka hahazo hery vaovao isaky ny indray mandingana. Afaka mandroso isan’andro ho amin’ny fahalalana sy ny fahendrena izy ireo, ary hahatsapa fifaliana vaovao eo am-pivoarany (...) Ny fahazavan-tsainy, ny fahalalany sy ny hatsaran-toetrany dia hitombo ho tonga hery lehibe sy firindrana tsy misy tomika.

Etsy andanin’izany, azon’izy ireo atao koa ny mamela ny heriny ho harafesenina satria tsy ampiasainy, na ho simba vokatry ny fahazaran- dratsy, ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena na ny tsy fanazarany tena hanana fitondrantena sy fiainam-bavaka tsara. Amin’izany dia hitotongana ny fiainan’izy ireo; tsy ankatoaviny ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny fahasalamana. (...) Harerahana, aretina sy fahafatesana no haterak’izany. — CTBH, tt. 41,42.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal