Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fivelarana mitondra soa lehibe

Daty
Alahady 12 October 2025

"Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany. Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na mati-antoka izany izy? " Lio. 9:24,25. 

Mofon’aina:
Aina iray ihany no omena antsika, ary ny fanontaniana tokony hipetraka amin’ny tsirairay dia ny hoe: “amin’ny fomba ahoana no ahafahako mampiasa ny heriko mba hitondra tombontsoa be indrindra? Ahoana no fomba tsara indrindra ahazoako manome voninahitra an’Andriamanitra sy manasoa ny mpiara-belona amiko?” Satria ny hany maha-sarobidy ny fiainana dia ny fampiasana azy hoenti-manatratra ireo tanjona ireo.

Ny adidintsika voalohany amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika dia ny hampivelatra ny tenantsika manokana. Ny fahaiza-manao rehetra izay nankinin’Andriamanitra tamintsika dia tokony hampivelarina amin’ny fahafenoany ambony indrindra, mba ahafahantsika manao ny soa be indrindra mety vitantsika. Koa tsara ny fampiasana ny fotoana ho amin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina. Tsy misy azontsika avela ho tsizarizary na manan-kilema ny fiasan’ny vatantsika sy ny saintsika. Raha manao izany isika dia tsy maintsy hizaka ny vokany.

Ny olona rehetra dia manana fahafahana malalaka tsara hamolavola ny tenany araka ny safidiny. Ny fitahiana eto amin’izao fiainana izao, sy ny hahazo ny tsy fahafatesana, dia eo am-pelatanan’ny tsirairay. Azon’ny olona atao ny hamolavola toetra sarobidy, ka hahazo hery vaovao isaky ny indray mandingana. Afaka mandroso isan’andro ho amin’ny fahalalana sy ny fahendrena izy ireo, ary hahatsapa fifaliana vaovao eo am-pivoarany (...) Ny fahazavan-tsainy, ny fahalalany sy ny hatsaran-toetrany dia hitombo ho tonga hery lehibe sy firindrana tsy misy tomika.

Etsy andanin’izany, azon’izy ireo atao koa ny mamela ny heriny ho harafesenina satria tsy ampiasainy, na ho simba vokatry ny fahazaran- dratsy, ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena na ny tsy fanazarany tena hanana fitondrantena sy fiainam-bavaka tsara. Amin’izany dia hitotongana ny fiainan’izy ireo; tsy ankatoaviny ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny fahasalamana. (...) Harerahana, aretina sy fahafatesana no haterak’izany. — CTBH, tt. 41,42.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal