"Dia aoka hizahana eo anatrehanareo ny tarehiny sy ny tarehin ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao " (...). Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka." - Dan. 1:13-15.
Mofon’aina:
Ireo efadahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela dia nahafantatra ny nofy rehetra. Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy. Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy. Daniela 1: 17-20
lo tantara io dia mirakitra zava-dehibe ny amin'ny foto-kevitry ny fanavaozana ara-pahasalamana. Misy lesona raisina avy amin'ny fanandraman'ireo zatovo Hebreo efa-dahy ny amin'ny tokony hifadiana zava-pisotro mahamamo, sy ny tsy fanaranam-po amin'ny filana mivaona.
Nijoro tamin'ny foto-keviny ireto zatovo Hebreo, ary tamin'ny fifaranan'ny folo andro dia hita fa tsara lavitra kokoa ny fahalalan'izy ireo raha nitaha tamin'ireo hafa izay nozahan'ny mpanjaka.
Amin'izao andro izao, dia ho faly ny Tompo raha ireo izay miomana ho amin'ilay fiainan-koavy tsy manam-pahataperana no manaraka ny ohatra nasehon'i Daniela sy ireo namany (...). Arakaraka hitomboantsika Amin’ny fahaizana mikarakara ny vatantsika no hahavonona kokoa antsika hiala amin'ny faharatsiana izay mameno izao tontolo izao amin'ny alalan'ny filàn-dratsy (...)
Tokony hianarantsika ny hampitovy fatra ny asa ataon'ny atidoha sy ny taolana ary ny hozatra. Raha asainao miasa ny saina, (...) kanefa avelanao tsy miasa ny hozatra, dia azo antoka fa ho hita miharihary ny vokatr'izany (...)Tokony hampianarina ny tanorantsika hatrany amin'ny fahazazany ny fampiasana amin'ny fomba mifandanja ny vatana sy ny saina. — GCB, 30 Mey, 1909.