Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery mifehy ny fitiavan-komana

Daty
Alarobia 15 October 2025

"Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin 'ny fanatrehan 'ny Tompo." - Asa. 3:19.

Mofon’aina :
Ny herin'i Kristy no hany afaka manatanteraka ny fanovana ny fo sy ny saina izay tsy maintsy andalovan'ny olona rehetra izay maniry hanana anjara miaraka Aminy amin'ilay fiainam-baovao ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. (...) Tsy maintsy ateraky ny Fanahin' Andriamanitra isika. Izany dia hitarika ho amin'ny fiambenana. Amin'izany dia ho voadio ny fo ary havaozina ny saina, sady homena antsika ny fahafahana vaovao hahalala sy hitia an'Andriamanitra.

(...)Tokony ho fantatry ny vahoakan'Andriamanitra fa ny fanaranam-po amin'ny filana no sakana lehibe indrindra ho an'ny fivoaran'ny saina sy ny fanamasinana ny fanahy. Na eo aza ireo hafatra rehetra torintsika momba ny fanavaozana ara-pahasalamana, dia maro amintsika no mihinana amin'ny fomba tsy araka ny tokony ho izy. Ny fanaranam-po amin'ny filan-dratsy no antony lehibe indrindra mahatonga tsy fahatomombanan'ny vatana sy ny saina (...) Aoka hitoetra ao an-tsain'ny olona izay mikatsaka fahadiovam-panahy fa ao amin'i Kristy no misy ny hery hifehezana ny filana. (...)

Ny hena dia ratsy ho an'ny fahasalaman'ny vatana, ary tokony hianarantsika ny hiala amin'izy ireny. Ireo izay manana fahafahana hampihatra ny fomba fisakafo tsy mihinan-kena, kanefa misafidy ny hanaraka ny fironany, ka mihinana sy  misotro araka izay tiany, dia hirona tsikelikely ho amin'ny tsy firaharahana ny toromarika izay nomen'ny Tompo momba ny lafiny hafa amin'ny fahamarinana ankehitriny, ary ho very ao amin'izy ireo ny fahaiza-manavaka ny fahamarinana; ary azo antoka fa hijinja izay nafafiny izy ireo. (...)

Tohero ny filàna misarika ho amin'izay zavatra manimba. Manompoa ny Tompo amin'ny fahafoizan-tena. (...) Ny Tompo dia maniry ny zanany, na antitra na tanora, hanapa-kevitra ny handà ny filana (...).

Tokony hataontsika ao an-tsaina mandrakariva fa amin'izao andro fizahan-toetra izao dia tsaraina eo anatrehan'ny Tompon'izao rehetra izao isika. Tsy hahafoy ny fironan-dratsy izay manimba anao ve ianao? Mora ny miteny manambara ny finoana; aoka ny asanao feno fandavan-tena no hanamarina fa ianao dia mpankatò ireo fepetra takin' Andriamanitra amin'ny vahoaka nofidiny. - RH, 24 Febroary 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal