Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fehezina dieny mbola Zaza

Daty
Sabotsy 18 October 2025

"Ny fahatahorana an’i Jehôvah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. " Ohab. 1:7. 

Mofon'aina:
Ankoatra ny aretina izay zary tarazo manaranaka dia afindran’ny ray aman-dreny amin’ny zanany koa ny fahazaran-dratsiny, ny filàny mivaona sy ny fitiavany zava-dratsy. Tsy mora mandray lesona avy amin’ny tantara tamin’ny lasa ny olona. Mahazendana ny tsy fisian’ny foto-kevitra sy ny tsy firaharahana ny lalàn’ny aina sy ny fahasalamana izay manamarika ny taranaka ankehitriny. (...)

Ny mampitebiteby ny ankamaroan’ny olona dia hoe: “Inona no hohaniko? Inona no hosotroiko? Ary inona no hotafiako?” Na eo aza izay voambara sy voasoratra rehetra momba ny maha-zava-dehibe ny fahasalamana sy ny fomba fikolokoloana azy, dia ny filana no lalàna lehibe mifehy ny olona ankehitriny.

Inona no tokony hatao mba hampitsaharana ny fiitaran’ny aretina sy ny heloka izay mampitotongana ny taranak’olombelona ho amin’ny fahasimbana sy fahaïàtesana? Koa satria ny fanaranam-po amin’ny filana no fototry ny olana, dia ny fianarana sy ny fampiharana lesona momba ny fahalalana onony sy ny fifehezan-tena no asa fanavaozana voalohany tsy maintsy atao.

Mba hisian’ny fanatsarana maharitra eo amin’ny fiarahamonina dia tsy maintsy atomboka amin’ny fahazazana ny fanabeazana ny vahoaka. Ny fahazarana miforona amin’ny fahazazana sy ny fahatanorana, ny zavatra tiana, ny fifehezan-tena rantovina, ny foto-kevitra nampianarina dieny mbola zaza menavava, dia azo antoka fa hamaritra ny hoavin’ny olona tsirairay. Ny heloka sy ny fahasimbana ateraky ny tsi-fahalalana onony sy ny fitondran-tena goragora dia azo sorohina amin’ny alalan’ny fanabeazana araka ny tokony ho izy ny tanora.

Ny fahasalamana tsara ara-batana dia anisan’ny manampy be indrindra amin’ny famolavolana toetra madio sy ambony ho an’ny tanora, sady manamafy ny fifehezany ny filàna sy miaro azy amin’ny fironana manambany. (...)

Ny fahatanorana no fotoana mety hanorenana tahirim-pahalalana izay hampiharina eo amin’ny fiainana isan’andro. Ny fahatanorana no fotoana mety hanorenana fahazarana tsara, hanitsiana ireo fahazaran-dratsy efa azo, hahazoana sy hanamafisana ny herin’ny fifehezan-tena, ary hamolavolana drafitra sy hanazaran-tena amin’ny fikendrena ny zavatra atao rehetra mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy izay mahasoa ny mpiara-belona. — RH, 13 Desambra 1881.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal