"Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara. Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?" - Eks. 15:23,24.
Mofon’aina:
Nisy lesona tian' ny Tompo hampianarina ny Zanak' Isiraely tao Mara dia fanoharana ny aretina mahazo ny olombelona noho ny fahotana. Iaraha-mahalala fa ianjadian'ny aretina maro karazany ny mponina eto an-tany. Izany dia vokatry ny tsy fankatoavany ny lalàn' Andriamanitra (...).
Nandika ny lalàn'Andriamanitra toy izany ny Zanak'Isiraely. Noravan'izy ireo ny fefy izay nataon'Andriamanitra hiarovana azy ireo amin'ny aretina, hiainan'izy anatin'ny fahasalamana sy fahamasinana, hianarany ny amin'ny fankatoavana nandritra ny diany tany an'efitra. (...)
Nandeha teo ambany fitarihan'i Kristy manokana ireo, izay nanao sorona ny Tenany hananany vahoaka tsy manadino an'Andriamanitra, na dia eo aza ny fakam-panahy avy amin'i Satana. Nohodidinin'i Kristy tao amin' ny andry rahona izy ireo, satria faniriany ny hitahiry izay rehetra manao ny sitrapony tao ambanin'ny elatry ny fiarovany.
Tsy kisendrasendra ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny rano tao Mara. Talohan'ny niaingan'izy ireo tany Egypta dia natombok' Andriamanitra ny fampianarana azy ireo, mba hitarihany azy hahatakatra fa Izy no Andriamaniny, mpanafaka sy mpiaro azy ireo.
Nimonomonona tamin' i Mosesy sy tamin' Andriamanitra izy ireo, kanefa mbola nezahin' Andriamanitra ny haneho tamin'izy ireo ny fahavononany hanamaivana ny manatona Azy. (...)
Rehefa tonga teo amin'ny ranon'i Mara izy ireo, "dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? Ary dia nitaraina tamin'i Jehôvah izy, ka dia nanehoan'i Jehôvah hazo anankiray,ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehôvah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizahany toetra azy." (...) Na dia tsy hitan'ny mason'olombelona aza, dia Andriamanitra no mpitarika sy mpanasitrana lehiben' ny Zanak'Isiraely. (...)
I Kristy no Ilay Mpitsabo lehibe. Tsy ny vatana ihany no sitraniny, fa ny fanahy koa. Mamerina antsika amin' Andriamanitsika Izy. Navelan' Andriamanitra horatraina ny Zanany lahy tokana, mba hikoriana avy amin'ny feriny ny hery manasitrana ny aretintsika rehetra. — MR, 15:29-31.