"Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino hianao, amin'ny fiteny, amin 'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin 'ny fahadiovana." - 1 Tim. 4:12.
Mofon’aina :
Tsy misy iray ao anatin'ny arivo, na manambady na tsia,no mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahazarana madio,ny fitandroana ny fahadiovan'ny vatana sy ny saina. Miharihary fa ny rofy sy ny aretina dia vokatry ny tsi-fankatoavana ny natiora sy ny fanaovana tsirambina ny lalàn'ny aina sy ny fahasalamana. Ny trano onenantsika no tokony hokolokolointsika ho fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra izay namonjy antsika. Tokony ho haintsika ny mikolokolo ny fiasan'ireo taova samihafa, mba ho voatokana ho amin' ny fanompoana an'Andriamanitra ny fanahy, ny vatana sy ny saina. (...)
Na dia efa mampianatra momba ny vatana sy ny fiasany aza ireo sekoly naorintsika, dia tsy araka ny fahavitrihana tokony hananany no ampianarany izany. Tsy nampihariny am-pisainana ny fahalalana noraisiny. Ary tsy tsapan'izy ireo fa raha tsy hampiharina izany dia hihasimba ny vatana.
Na eo aza ny hazavana mipariaka avy amin'ny Soratra Masina (...) dia mbola tsinontsinoavi n'ny maro ireo lesona nosoratan'ireo izay Ataon'ny olona an-tsirambina ny fomba fisakafony ankapobeny; mitombo ny fifohana sigara sy fisotroan-toaka, ary maro ireo mikiry amin'ny fihinanan-kena. (...)
Fananan'ny Tompo ianao - Azy satria noforoniny sady navotany. "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Tokony hoheverina ny lalàn'ny fanajan-tena, satria fananan'Andriamanitra ny tena. Ary izany dia hitarika ho amin'ny fanajana ny adidy nankinina amin'ny olombelona tsirairay, dia ny hikolokolo ny vatana izay mahatalanjona sy
mahatahotra ny nanaovana azy. Tokony ho takatra ny fomba fiasan'ny tenan'olombelona. Tokony hianarana amin'ny tsipiriany ny firindran'ny fiasan'ireo taova samihafa. (...)
I Jesôsy Kristy no Mpamorona antsika. Izy no namolavola antsika. Izy no namorona ny firafitry ny tenan'olombelona. Izy no nanoratrany lalàn'ny fizika sy ny lalàn'ny moraly. Ary ny olombelona izay manao tsirambina sy manao tsinontsinona ny fahazarana sy izay tokony hatao momba ny fiainana ara-batana sy ny fahasalamana dia manota eo anatrehan'Andriamanitra. - KC, tt. 45,46.