Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Torohevitra mahasalama

Daty
Alarobia 22 October 2025

"Ary hoy ny rafozan’i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao." - Eks. 18:17,18.

Mofon’aina:
Rehefa manao izay azontsika  rehetra isika mba hahasalama antsika dia afakamanampo  vokatra   voatahy, ary afaka mangataka  am-pinoana amin'Andriamanitra mba  hitahiany ny fiezahantsika hitandro ny fahasalamantsika. Hovaliany ny vavaka ataontsika raha manome voninahitra ny Anarany. Kanefa tokony ho takatry ny tsirairay fa misy asa ankinina aminy.

Andriamanitra dia tsy hanao fahagagana hiarovana ny fahasalaman'ny olona izay manana fitondrantena azo antoka fa hitondra azy ho amin'ny tsi-fahasalamana. — CDF 26.

Ny fampiharana amin'ny tenantsika antsakany sy andavany ny lalàn' Andriamanitra dia hitondra fahasalamana. (...) — CDF, 20. (...)

Atsaharo ny fanaranam-po amin'ny filan-dratsy, mihinàna sakafo tsotra, aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fitafy; izany dia mitaky fahatsorana ombam-panetren-tena. Aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fiasa, dia tsy ho tratry ny aretina ianareo (..) Maro ireo mizaka ny voka-dratsin'ny fandikan-dalàna nataon'ny ray aman-dreniny. (...). Na izany aza dia adidin'izy ireo ny (...) tsy hamerina ny fandikana ny lalan'ny fahasalamana ni  sy ny fahazaran-dratsin'ireo ray aman-dreniny, fa hanana fahazarana tsara kosa, mifanaraka amin’izay ilain’ny  fahasalamana. HR, Aogôsitra 1866
 
Rehefa miasa amim-pirindrana ny hery rehetra amin'ny vatana, dia mitondra fahasambarana. Arakaraka ny mampadio sy maha-ambony ny hery ananana no ahatsapana fahasambarana madio sy tsy miharoharo zavatra. (...) Ny saina dia tokony hifantoka amina lohahevitra  mifandraika amin'izay zavatra mitondra voka-tsoa mandrakizay ho antsika. (...) — RH, 29 Jolay 1884.

Andriamanitra dia nanao fanekena hihazona ny fahasalaman'ny olona izay hihazona ny fahasalaman'ny olona izay vonona hankatò ny lalàny sy hiara-miasa Aminy. - CDF, 17.

Nanankinan'Andriamanitra hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana ny vahoakany. Nitsilo ny dian'izy ireo nandritra ny taona maro izany fahazavana izany; ary tsy azon' Andriamanitra atao ny hanohana ny mpanompony hizotra amin'ny lalana izay mifanohitra amin'izany. (...) Izay mitady hanao tsinontsinona io fahazavana nomen'Andriamanitra momba fanavaozana ara-pahasalamana io dia tsy maintsy hiharam-pahavoazana; ary tsy misy olombelona afaka hahomby amin'ny asan'Andriamanitra kanefa mifanohitra amin'ny fahazavana nomen'Andriamanitra ny fampianarany sy ny ohatra asehony. - CDF, 38

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal