Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Na ho fahasalamana na ho aretina

Daty
Alakamisy 23 October 2025

"Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo." - Mat. 12:33.

Mofon’aina:
Nanana fahamboniana teo amin'ny toe-batanai Adama sy i Eva, ary tonga lafatra teo amin'ny hatsaran-tarehy. Tsy nanam-pahotana izy ireo ary tanteraka ny fahasalamany. Akory ny fifanoheran'izany amin'ny taranak' olombelona ankehitriny! Rava ny fahatsarana. Hadino izany atao hoe fahasalamana tanteraka. Izay rehetra itopazan'ny maso dia aretina, faharatsiana, hadalana. (...).    

Hatramin'ny fahalavoana dia nisy hatrany ny tsy fahalalana onony amin'ny endriny rehetra. Ny filana no mifehy fahaiza-mandanjalanja. Mizotra amin'ny lalan'ny tsy fankatoavana ny taranak'olombelona ary, toa an'i Eva, dia voatarik'i Satana hanao tsinontsinona ny fandrarana nataon' Andriamanitra, mamita-tena amin'ny fiheverana fa tsy mahatahotra araka izay niheverana azy ny vokatry ny tsy fankatoavana. Ny taranak'olombelona dia mandika ny lalàn'ny fahasalamana ary manaram-po tafahoatra saika amin'ny zavatra rehetra. Nitombo tsy ankijanona ny aretina. Niseho ny vokatry ny natao.

Ireo razambentsika voalohany dia nomen'Andriamanitra sakafo natao hohanin'ny taranak'olombelona. Mifanohitra amin'ny planin' Andriamanitra ny fandatsahana ny ain'ny zavaboariny. Tsy natao hisy fahafatesana tao Edena. Ireo voankazo tao Edena dia sakafo mifanaraka amin'izay nilain'izy ireo. Tsy nanome lalana ny amin'ny hihinanana hena Andriamanitra raha tsy efa taorian' ny Safodrano. (...)

Maro ireo talanjona ny amin'ny fitotonganan' ny taranak'olombelona (...) Tsy takatr'izy ireo fa ny fandikana ny lalàm-panorenan' Andriamanitra ny fandikana ny lalàn'ny fahasalamana no nahatonga izany. Ny fandikana ny didin' Andriamanitra no nampiala ny tànan' Andriamanitra izay manome fanambinana. Ny tsy fahalalana onony amin'ny fihinana sy fisotro, sy ny fanaranam-po amin'ny filana ambany no nahadonto ny fahaiza-mandinika, ka nanjary napetraka hitovy laharana amin'ny zavatra tsotra ny zavatra masina. (...)

Maro ireo nanantena ny hiarovan'Andriamanitra azy amin'ny aretina satria mangataka Aminy fotsiny ny hanovany izany. Kanefa tsy nohenoin' Andriamanitra ny vavak' izy ireo, satria tsy tanteraka tamin'ny alalan'ny asa ny finoan'izy ireo. Andriamanitra dia tsy hanao fahagagana hiaro ny fahasalaman'ireo izay tsy mikarakara ny tenany fa manohy manitsakitsaka ny lalàn'ny fahasalamana sady tsy manao ezaka hisorohana ny aretina (...), dia ireo izay manana fitondran-tena azo antoka fa hitondra azy ho amin'ny tsy fahasalamana. — RH, 2 Avrily 1914.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal