"Araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehi triny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana. "- Fil. 1:20.
Mofon’aina:
Maro ireo mandeha eo ambanin’ny aloky ny fahafatesana ankehitriny no niomana hanao asa ho an'ny Tompo, kanefa tsy tsapan'izy ireo ny adidy masina mipetraka aminy mba hitandremany ny lalan’ny fahasalamana. Tena lalàn'Andriamanitra tokoa ny lalàn'ny fahasalamana; kanefa toa hadino izany fahamarinana izany.
Misy ireo mampihatra fomba fisakafo voafetra izay tsy hitondra fahasalamana ho azy ireo. Tsy soloany sakafo be otrikaina ireo sakafo mankarary izay nialany ; ary tsy nosainin’izy ireo fa ilaina ny fahamalinana sy ny fahaiza-mikaroka eo amin’ny fikarakarana sakafo amin’ny fomba izay mahasalama indrindra. (...)
Maro eran'izao tontolo izao ireo olona mamela ny fahazarana manimba hanjaka. Ny filana no lalàna mifehy ny fiainany; ary noho ny fahazaran-disony dia takona ny fahatakarany ara-moraly, sady misy fahasimbana be ny fahaizany manavaka ny zava-masina. Kanefa ilain'ny Kristianina ny manana fahalalana onony hentitra. Tokony hapetrany ambony ny fenitra hotratrariny. (...) Foto-kevitra no tokony hibaiko fa tsy filana sy haitraitra. (...)
Midika zavatra maro ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Manana fitakiana amin'ireo rehetra izay mandray anjara amin'ny fanompoana Azy Andriamanitra. Faniriany ny hihazonana ny saina sy ny vatana ao anaty fahasalamana tanteraka, ary ny hery sy ny fahafaha-manao rehetra ho eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra, ary hotehirizina ho matanjaka araka izay azo atao amin'ny alalan'ny fahazarana voakajy sy hentitra. Adidintsika amin'Andriamanitra ny manolotra tanteraka tsy misy fepetra ny tenantsika ho Azy. (...). Ny tanjatsika sy ny fahafaha-manaontsika rehetra dia tokony hampitomboina sy hatsaraina tsy an-kiato amin'izao fotoana fizahan-toetra izao. (...)
(...) Ny fahalalana onony amin'ny fisotro, torimaso sy fitafy dia anisan'ny foto-kevitra lehiben'ny fiainana ara-pivavahana. Ny fahamarinana ampitoerina ao amin'ny tempolin'ny fanahy dia hibaiko ny fikarakarana ny vatana. Tsy misy azo atao tsinontsinona izay rehetra mahakasika ny fahasalaman'ny olombelona. Ny mandrakizay dia miankina amin'ny fampiasantsika eto amin'izao fiainana izao ny fotoantsika, ny herintsika sy ny hery miasa mangina ananantsika. — RH, 11 Jona 1914.