"Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana." - Jer. 33:6.
Mofon’aina:
Fony aho vao nandray ny hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana dia narefo aho sady nalemy, matetika aho no tratry tsi-fahatsiarovan-tena. Nitalaho fanampiana tamin’ Andriamanitra aho dia novelariny teo anatrehako ny lohahevitra lehibe momba ny fanavaozana ara-pahasalamana.
Nampianariny ahy fa ireo izay mitandrina ny didiny dia tsy maintsy tarihina hanana fifandraisana masina Aminy, ary amin'ny alalan'ny fahalalana onony amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia tsy maintsy kolokoloin’izy ireo
Tsy manoritra fitsipika manokana natao harahina izahay ny aminny fomba fisakafo; kanefa ambaranay fa ao amin'ireo firenena izay ahitana betsaka voankazo, voamaina sy voa, dia tsy sakafo sahaza ho an'ny vahoakan‘ Andriamanitra ny hena. Nampianarina ahy fa ny hena dia mitarika ny olona hanana toetram-biby, manaisotra ao amin'ny olona ny fitiavana sy ny fitsinjovana izay tokony ho tsapany ho an'ny hafa, ary mahatonga ny filana ambany ho zary mifehy ny hery ambony ananan'ny tena.
Nahasalama ny fihinanan-kena fahiny, saingy tsy azo antoka intsony izany ankehitriny. Anisan'ny antony lehibe mahatonga homamiadana sy aretin'ny havokavoka, ny fihinanan-kena.
Tsy tokony hatao ho fisedrana ny fahatokiana ao am-piangonana ny fihinanana na tsy fihinanan-kena, kanefa tokony hosaintsainintsika ny hery miasa mangina miantraika amin'ny hafa avy amin'ireo mpino milaza ho mihinan-kena.
Amin'ny maha-mpitondra hafatr' Andriamanitra antsika, moa va tsy hanambara amin'ny olona isika hoe "na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr' Andriamanitra izany rehetra izany" - 1 Kôr.10:31?
Moa ve tsy hitory am-pahasahiana isika ny amin'ny maha-ratsy ny fanaranam-po amin'ny filana mivaona? Ny mpiasan’ny filazantsara, izay mitory ilay hafatra miezinezina indrindra nomena ny taranak'olombetona mety maty, ve no hitaona ny olona hiverina amin'ny fitiavan-kenan'i Egypta? (…)
Tokony horaisina ho zava-dehibe ny fahasalaman"ny vatana, tahaka ny maha-zava-dehibe ny fitomboana amin'ny fahasoavana sy ny fananana toetra mirindra. (...) Mifampiankina ny vavony sy ny fitatitry ny atidoha. Ny fahadisoana eo amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia mitarika fahadisoana eo amin'ny fomba fisainana sy fanao. — RH, 3 Marsa 1910.