Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy voatery misy hena

Daty
Talata 28 October 2025

"Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any ? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?" - Jer. 8:22.

Mofon’aina:
Sedraina sy tsaraina ny tsirairay ankehitiny. Nato batisa tao amin'i Kristy isika, koa raha manao ny anjarantsika isika amin’ny fialana amin'izay zavatra rehetra mety handavo antsika (...), dia homena antsika ny hery hitomboana ao amin'i Kristy, Ilay lohan'ny tena, ary hahita ny fanavotan’Andriamanitra isika.

Rehefa mahatakatra mazava ny foto-kevitry ny fomba fiaina ara-pahasalamana isika vao hifoha tanteraka ka ho afaka hahita ny voka-dratsin"ny fomba fisakafo tsy araka ny tokony ho izy. Ireo izay manana herim-po hanova ny fahazarany rehefa avy nahita ny fahadisoany dia hahatsapa fa ny dingan’ ny fanavaozana dia mitaky tolona sy faharetana be; kanefa rehefa voaforona ao aminy ny fitiavana ny tsara, dia ho tsapan’izy ireo fa ny fihinanana ireo sakafo izay noheverin' izy ireo ho tsy mampaninona teo aloha dia tena fototry ny aretim-bavony sy aretina maro hafa.

Ry ray sy reny, miambena amin'ny fivavahana. Tandremo fatratra ny tsi-fahalalana onony amin'ny endriny rehetra. Ampianaro ny zanakareo ireo foto-kevitry ny tena fanavaozana ara-pivavahana. Ampianaro azy ireo izay zavatra tokony hofadiny mba hikolokoloany ny fahasalamany. Efa manomboka mihatra eo amin'ireo zanaky ny tsi-fankatoavana ny fahatezeran’ Andriamanitra. Mirongatra hatraiza hatraiza izao ny herisetra, ny heloka bevava sy ny fanao ratsy samihafa! (...)

Tokony hisy ezaka bebe kokoa hanabeazana ny vahoaka hahalala ny amin'ny foto-kevitry ny fanavaozana ara-pahasalamana. Tokony hatsangana ny sekoly fampianarana mahandro, tokony hampianarina isan-trano, mais fomba fahandroana sakafo mahasalama. Tokony hianatra fomba fahandro tsotra kokoa ny ray aman-dreny sy ny tanora. Na aiza na aiza itoriana ny fahamarinana dia tokony hampianarina ny olona ny fomba fahandro tsotra nefa tsara tsiro. Tokony haseho azy ireo fa azo atao ny mahandro sakafo be otrikaina kanefa tsy misy hena. (...)

llana fandanjalanjana sy fahendrena ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana (...). Ilaina ny finoana an'Andriamanitra, ny fahatapahan-kevitra hentitra hifanampy.

Ny fomba fisakafo tsy ampy ny otrikaina ilaina dia mitondra tsiny ho an'ny hafatry nyfanavaozana ara-pahasalamana. - RH, 3 Marsa 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal