Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ataovy mahaliana ny fotoam-bavaka

Daty
Alatsinainy 03 November 2025

 "Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina Aminao. Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina." – Sal. 40:5.

Mofon’aina:
Tokony hobeazina ny zanakareo mba halemy   fanahy, hihevitra ny hafa, handefitra, mora alahatra, ary ambonin'ny zavatra hafa rehetra, hanaja ny zava-panahy sy hahatsiaro ny lanjan'ny fitakian'Andriamanitra. Tokony hampianarina hanaja ny fotoam-bavaka izy ireo, ary tokony hasaina hifoha maraina mba hanatrika ny fotoam-pivavahana ho an'ny mpianakavy. — TFC, 5:424.

 Tokony hitarika ny fanompoam-pivavahana amin' ny maraina sy amin'ny hariva ny raim-pianakaviana, izay mpisoron'ny ankohonana. Tsy misy antony tokony tsy hahatonga izany ho fahazarana mahaliana sy mahafaly indrindra amin'ny fiainan' ny ankohonana, ary tsy omem-boninahitra Andriamanitra rehefa atao mahamonamonaina sy mahasorena izany. Aoka ho fohy nefa mafana ny fanompoam-pivavahan'ny mpianakavy. (...) Rehefa lava ny toko vakina sy hazavaina ary lavareny ny vavaka atao, dia manjary mandreraka ilay fanompoam-pivavahana sarobidy, ka mahatsiaro ho maivana ny rehetra rehefa vita izany. (...) 

Mifidiana ampahany amin'ny Soratra Masina izay mahaliana sy mora takarina; andininy vitsy dia ho ampy hanomezana lesona izay hohalalinina sy hampiharina mandritra ny tontolo andro (...) Farafahakeliny misy andininy vitsivitsy amin'ny hira mavitribitrika hiraina, fa tokony ho fohy sy mivantana kosa ny vavaka atao. Tsy tokony hivavaka momba ny zava-drehetra ny olona izay mitarika amin'ny vavaka, fa tokony haneho ny zavatra ilaina amin'ny teny tsotra sy hidera an'Andriamanitra amin'ny fisaorana. — ST, 7 Aogôsitra 1884.

Miankina betsaka amin' ny fampiasantsika ny ora fivavahana ny hahatonga ny fitiavana mandinika ny Baiboly ho taitra sy hahery. Ireo fotoam-pivavahana maraina sy hariva no tokony ho mamy indrindra sy manampy indrindra ao anatin'ny tontolo andro. Aoka ho fantatra tsara fa ao anatin'ireo ora ireo dia tsy tokony hisy fisainana feno ahiahy na faharatsiana tafiditra; fa ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mivory mba hihaona amin'i Jesosy sy hanasa ireo anjely masina mba handroso ao an-tokantranony. (...) Manampy ny ankizy ho liana ny famelana azy tsindraindray hisafidy vakiteny atao. – FK, t. 204.
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal