Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana mitondra vokatra sarobidy

Daty
Talata 04 November 2025

 "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao." – Deo. 7:12.

Mofon’aina:
Noho ny antony manokana, dia tsy tia manome toromarika ara-pivavahana ho an'ny zanany ny ray aman-dreny maro, ka avelany ao amin'ny Sekoly Sabata izy ireo no handray ny fahalalana. Tombontsoa sy adidin'izy ireo anefa ny mampita izany amin'ny zanany. Tsy mahatanteraka ny andraikitra napetraka taminy, dia ny hanome ny zanany fanabeazana feno, ny ray aman-dreny toy izany. Mandidy ny vahoakany Andriamanitra mba hitaiza ny zanany amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo. (...)

Aoka ho tsotra ny toromarika omenareo ny zanakareo, ary aoka ho azonareo antoka fa takatr ' izy ireo mazava tsara izany. Ny lesona ianaranareo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra dia tokony hasehonareo amin'ny fomba mazava ka ho takatr'izy ireo marina izany. Azonareo atao ny mampianatra azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin'ny fenitra ambony indrindra amin'ny alalan'ny lesona tsotra nosintonina avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny fanandraman'izy ireo manokana. (... ) 

Tokony  homem-boninanitra amin'ny alalan'ny fanatitra marain-tsy hariva Andriamanitra, dia vavaka sy fiderana isaky ny tokantrano kristianina tsirairay.

(...) Adidin'ny ray aman-dreny ny manisy fefy manodidina ny zanany, maraina sy hariva, amin'ny alalan'ny vavaka mafana sy ny finoana feno faharetana. 

Ao amin'ilay fiangonana ao an-tokantrano no tokony hianaran'ny ankizy mivavaka sy mitoky amin'Andriamanitra. (...) Nomena izao toromarika izao ny Isiraelita manoloana ny didin'Andriamanitra: "Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha." – Deo. 6:7. 

Manatòna an'Andriamanitra amim-panetren-tena, amin'ny fo feno fitiavana sy amin'ny fahatsapana ireo fakam-panahy sy loza manoloana anareo sy ny zanakareo; ento eo amin'ny alitara amin'ny alalan'ny finoana izy ireo, ka angataho ny fikarakaran'ny Tompo azy ireo. Ampianaro hanonona vavaka tsotra ny ankizy. Lazao azy ireo fa faly Andriamanitra rehefa miantso Azy izy ireo. 

Handalo fotsiny ny tokantrano tahaka izany ve ny Tompon'ny lanitra ka tsy hitondra fitahiana ao? Tsia! Hiaro ny ankizy atokana ho an'Andriamanitra tahaka izany ireo anjely manompo. (...) — CPTS, tt. 109,110. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal