Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana mitondra vokatra sarobidy

Daty
Talata 04 November 2025

 "Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao." – Deo. 7:12.

Mofon’aina:
Noho ny antony manokana, dia tsy tia manome toromarika ara-pivavahana ho an'ny zanany ny ray aman-dreny maro, ka avelany ao amin'ny Sekoly Sabata izy ireo no handray ny fahalalana. Tombontsoa sy adidin'izy ireo anefa ny mampita izany amin'ny zanany. Tsy mahatanteraka ny andraikitra napetraka taminy, dia ny hanome ny zanany fanabeazana feno, ny ray aman-dreny toy izany. Mandidy ny vahoakany Andriamanitra mba hitaiza ny zanany amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo. (...)

Aoka ho tsotra ny toromarika omenareo ny zanakareo, ary aoka ho azonareo antoka fa takatr ' izy ireo mazava tsara izany. Ny lesona ianaranareo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra dia tokony hasehonareo amin'ny fomba mazava ka ho takatr'izy ireo marina izany. Azonareo atao ny mampianatra azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin'ny fenitra ambony indrindra amin'ny alalan'ny lesona tsotra nosintonina avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny fanandraman'izy ireo manokana. (... ) 

Tokony  homem-boninanitra amin'ny alalan'ny fanatitra marain-tsy hariva Andriamanitra, dia vavaka sy fiderana isaky ny tokantrano kristianina tsirairay.

(...) Adidin'ny ray aman-dreny ny manisy fefy manodidina ny zanany, maraina sy hariva, amin'ny alalan'ny vavaka mafana sy ny finoana feno faharetana. 

Ao amin'ilay fiangonana ao an-tokantrano no tokony hianaran'ny ankizy mivavaka sy mitoky amin'Andriamanitra. (...) Nomena izao toromarika izao ny Isiraelita manoloana ny didin'Andriamanitra: "Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha." – Deo. 6:7. 

Manatòna an'Andriamanitra amim-panetren-tena, amin'ny fo feno fitiavana sy amin'ny fahatsapana ireo fakam-panahy sy loza manoloana anareo sy ny zanakareo; ento eo amin'ny alitara amin'ny alalan'ny finoana izy ireo, ka angataho ny fikarakaran'ny Tompo azy ireo. Ampianaro hanonona vavaka tsotra ny ankizy. Lazao azy ireo fa faly Andriamanitra rehefa miantso Azy izy ireo. 

Handalo fotsiny ny tokantrano tahaka izany ve ny Tompon'ny lanitra ka tsy hitondra fitahiana ao? Tsia! Hiaro ny ankizy atokana ho an'Andriamanitra tahaka izany ireo anjely manompo. (...) — CPTS, tt. 109,110. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal