Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pisedrana manadio

Daty
Sabotsy 08 November 2025

  "Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; aoka ho sandrinay isa-maraina Hianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana." Isa. 33:2.

Mofon’aina:
Ny tantaran'i Jakôba dia fanomezan-toky koa fa tsy hahafoy ireo izay voafitaka sy nalaim-panahy ary voatarika hanota Andriamanitra, nefa niverina ho eo Aminy amin'ny fibebahana marina. Mitady izay handringanana io antokon'olona io i Satana, fa Andriamanitra kosa handefa ny anjeliny hampahery sy hiaro azy amin'ny andro itataovan'ny loza. Masiaka sy henjana indrindra ny fanafihana ataon'i Satana (...) ; nefa manara-maso ny vahoakany ny Tompo sy manongilan-tsofina amin'ny fitarainany Izy. Lehibe ny fahoriana, toa efa handevona azy ny lelafo midedadeda; nefa hitondra azy ireo hivoaka toy ny volamena voasedra tao amin'ny afo Ilay Mpandrendrika. Ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany mandritra ny fotoana fisedrana azy mafy indrindra dia lehibe sy mamy toy ny tamin'ny andron'ny fahombiazany nibaliaka indrindra; nefa ilain'izy ireo ny handalo ao amin'ny memy; tsy maintsy ho levona izay rehetra momba ny tany ao anatiny, mba hitaratra amin'ny fomba feno ny endrik'i Kristy. 

Ny andro feno fahoriana sy tebiteby eo anoloantsika dia hitaky finoana izay hatrotrahana, fiandrasana ela sy hanoanana - finoana izay tsy ho reraka na dia voasedra mafy aza. Omena ny rehetra ny androm-pahasoavana mba hiomanana ho amin'io fotoana io. Nandresy i Jakôba satria nanam-paharetana izy sady matotra tamin'ny finiavany. Ny fandreseny dia manaporofo ny herin'ny fivavahana maharitra. Izay rehetra mifikitra amin'ny teny fikasan'Andriamanitra, tahaka ny nataony, ka mafana fo sy manam-pikirizana tahaka azy, dia hahomby tahaka ny nahombiazany koa. Izay rehetra tsy vonon-kandà ny tenany, ka hitolona mafy amin'Andriamanitra, hivavaka amim-paharetana sy hitaky amin'ny fo mafana ny fitahiany, dia tsy hahazo izany. (...) 

Tataovan-doza lehibe izay tsy manana afa-tsy finoana kely ankehitriny, fa ho resin'ny herin'ny fitaka ataon'i Satana sy ny didy hanery ny feon'ny fieritreretana izy. Ary na dia haharitra ny fisedrana aza izy dia ho latsaka ao anatin'ny fijaliana sy ny tebiteby lalina kokoa amin'ny andro fahoriana, satria tsy mba nizatra mihitsy hitoky an'Andriamanitra. ( ...) — HM, U. 646, 647.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal