Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pisedrana manadio

Daty
Sabotsy 08 November 2025

  "Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; aoka ho sandrinay isa-maraina Hianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana." Isa. 33:2.

Mofon’aina:
Ny tantaran'i Jakôba dia fanomezan-toky koa fa tsy hahafoy ireo izay voafitaka sy nalaim-panahy ary voatarika hanota Andriamanitra, nefa niverina ho eo Aminy amin'ny fibebahana marina. Mitady izay handringanana io antokon'olona io i Satana, fa Andriamanitra kosa handefa ny anjeliny hampahery sy hiaro azy amin'ny andro itataovan'ny loza. Masiaka sy henjana indrindra ny fanafihana ataon'i Satana (...) ; nefa manara-maso ny vahoakany ny Tompo sy manongilan-tsofina amin'ny fitarainany Izy. Lehibe ny fahoriana, toa efa handevona azy ny lelafo midedadeda; nefa hitondra azy ireo hivoaka toy ny volamena voasedra tao amin'ny afo Ilay Mpandrendrika. Ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany mandritra ny fotoana fisedrana azy mafy indrindra dia lehibe sy mamy toy ny tamin'ny andron'ny fahombiazany nibaliaka indrindra; nefa ilain'izy ireo ny handalo ao amin'ny memy; tsy maintsy ho levona izay rehetra momba ny tany ao anatiny, mba hitaratra amin'ny fomba feno ny endrik'i Kristy. 

Ny andro feno fahoriana sy tebiteby eo anoloantsika dia hitaky finoana izay hatrotrahana, fiandrasana ela sy hanoanana - finoana izay tsy ho reraka na dia voasedra mafy aza. Omena ny rehetra ny androm-pahasoavana mba hiomanana ho amin'io fotoana io. Nandresy i Jakôba satria nanam-paharetana izy sady matotra tamin'ny finiavany. Ny fandreseny dia manaporofo ny herin'ny fivavahana maharitra. Izay rehetra mifikitra amin'ny teny fikasan'Andriamanitra, tahaka ny nataony, ka mafana fo sy manam-pikirizana tahaka azy, dia hahomby tahaka ny nahombiazany koa. Izay rehetra tsy vonon-kandà ny tenany, ka hitolona mafy amin'Andriamanitra, hivavaka amim-paharetana sy hitaky amin'ny fo mafana ny fitahiany, dia tsy hahazo izany. (...) 

Tataovan-doza lehibe izay tsy manana afa-tsy finoana kely ankehitriny, fa ho resin'ny herin'ny fitaka ataon'i Satana sy ny didy hanery ny feon'ny fieritreretana izy. Ary na dia haharitra ny fisedrana aza izy dia ho latsaka ao anatin'ny fijaliana sy ny tebiteby lalina kokoa amin'ny andro fahoriana, satria tsy mba nizatra mihitsy hitoky an'Andriamanitra. ( ...) — HM, U. 646, 647.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal