Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aparitaho ny fahazavana

Daty
Alarobia 19 November 2025

 "Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo." Asa. 17:23.

Mofon’aina:
Nampianarin' i Jesosy ireo mpanara-dia Azy fa mpitrosa amin' ny Jiosy sy amin'ny Grika izy ireo, (...) ka nataony izay hahatakarany fa ny fanavakavaham-pihodirana, ny saranga, ary ireo tsipika ho fampisarahana napetraky ny olombelona dia tsy nankasitrahan'ny Lanitra, ary tsy tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fampielezana ny filazantsara. Ireo mpianatr'i Kristy dia tsy tokony hanisy fanavahana eo amin'ny namany sy ny fahavalony, fa tokony horaisiny ho toy ny namany izay mita ily fanampiany ny olona tsirairay, ary tokony horaisiny ho toy ny sahan'asany izao tontolo izao, ka hiezaka izy hamonjy ny very.

Samy nomen'i Jesosy ny anjara asany ny lehilahy sy ny vehivavy, ary nesoriny avy tao amin'ny faribolana ety izay nosoritan'ny fitiavan-tenany izy ireo (...) Tsy mamaritra fetra ho amin'ny zotom-po eo amin'ny asa fitoriana Izy, fa mampirisika kosa ny mpanara-dia Azy mba hanitatra ny asany hatrany amin'ny faritra lavitra indrindra eto an-tany. (...)

Ny sahan'asa dia ahitana vondron'olona lehibe ao anatin'ny fahamaizinan' ny fahadisoana, izay feno faniriana lalina ary koa mivavaka amin'ilay Iray izay tsy fantany akory. llain'izy ireo ny mandre ny feon'ireo mpiara-miasa amin'Andriamanitra, hilaza aminy, tahaka izay nolazain'i Paoly tamin'ny Atenianina, hoe: "Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo." 

Tokony ho mpiasa mahatoky eo amin'ny saham-pijinjana lehibe ireo mambran' ny fiangonan' Kristy. Tokony hiasa mafy sy hivavaka amim-pahamatorana izy ireo, ka hivoatra mandrakariva, ary hampiely fahazavana eo anivon'ny fahamaizinana ara-pitondran-tena eto amin' izao tontolo izao; satria moa ve tsy mandefa taratra ara-panahy amin'izy ireo ny anjelin'ny lanitra? (...) Tokony ho feno fanantenana izy ireo, mahafantatra fa tsy miankina amin'ny fahaizan'olombelona na amin'ny hoenti-manana voafetra, fa amin'ny fanampiana nampanantenain' Andriamanitra, amin'ny asan'ny anjely izay nianiana ny hanokatra ny lalana eo anoloan'izy ireo. (...)

 Hanavatsava ny lalana eo anoloantsika ny anjelin'Andriamanitra, hanomana ny fo ho amin'ny hafatry ny filazantsara, hanaraka ny mpiasa tsirairay ny hery nampanantenaina, ary "ny voninahitr Jehovah ho vodi-làlanao" – lsa. 58:8. — RH, 30 Oktôbra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal