"Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin 'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery." - Mar. 14:38.
Mofon’aina:
Ireo izay milaza fa nahazo fahazavana vaovao, mametraka ny tenany ho mpitondra fanavaozana, dia hanana hery miasa mangina lehibe amin' ireo sokajin'olona resy lahatra ny amin'ny fisian'ny fihemorana amin'izao taonjato izao ary koa tsy afa-po amin'ny toe-panahin'ny fiangonana. Amin'ny fo marina sy mahitsy no anirian'ireo sokajin'olona ireo hahita fi ovana ho amin'ny tsaratsara kokoa (...). Raha maneho amin'ireo sokajin'olona ireo ny fahamarinana madio sy tsy misy kilema ny mpanompo mahatokin'i Kristy, dia handray izany fahamarinana izany izy ireo, ary hanadio azy ny fankatoavana izany. I Satana kosa hitsivalana amim-pahakingana hatrany eo amin'ny lalan'ireo fanahy mangetaheta ireo. Hisy olona hiseho ho mpitondra fanavaozana hanatona azy ireo, tahaka ny nanatonan'i Satana an' i Kristy sy nisehoany ho toy ny anjelin'ny mazava, ary hitarika azy ireny hiala amin'ny lalan'ny fahamarinana. (...)
Io lehilahy io (izay mitonona ho mpitondra fanavaozana) sy ireo izay voafitany dia tsy tia ny fahamarinana (...). Fahadisoan-kevitra lehibe manao ahoana anefa no mahazo azy ireo satria tsy misy maharikoriko an'Andriamanitra mihoatra noho ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fijangajangana! Feno fampitandremana mahakasika ireo fahotana ireo ao amin'ny Baiboly. Nanoratra tamin' i Titosy i Paoly ny amin'ireo izay "manaiky fa mahalala an 'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny•asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona."- Tit 1:16.
Amin'izao fotoan'ny faharatsiam-pitondrantena izao, dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ny devoly (...). Maro ireo manana talenta mamirapiratra no manolo-tena hampiasa izany amin'ny fanompoana an'i Satana (...) Ireo anjely, madio sy masina, dia rikoriko raha mijery izany fa i Satana kosa mihoby. (...)
Amin'ny toe-javatra rehetra, dia fanalam-baraka an'Andriamanitra ny fandikan-dalàna ary ozona ho an'ny taranak'olombelona. Tahaka izany no tsy maintsy hiheverantsika izany, na inona na inona endriny ary na iza na iza no manao azy. — TFC, b. 5, tt. 144-146.