"Fa ny alahelo araka an 'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon 'izao tontolo izao." – 2 Kôr. 7:10.
Mofon’aina:
Ny fitiavan'Andriamanitra akory tsy hitarika ho amin'ny fanamaivanana ny fahotana, tsy hanarontsarona na hanala tsiny ny ratsy izay tsy niaikena izany. Diso aoriana loatra ny nianaran'i Akana fa ny lalàn'Andriamanitra, tahaka Azy ihany, dia tsy miova. (...) Manaraka antsika izany, ary mahatratra na dia izay loharanon'ny asantsika miafina indrindra aza. Voatarika hanao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mampanaram-po ny fahotana. (...)
Ny lalàn'Andriamanitra no filamatra lehiben'ny fahamarinana, ary ny atao rehetra eo amin'ny fiainana dia tsy maintsy hampitahaina aminy amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny asa rehetra (...). Ny fahadiovan'ny fo no mitarika ho amin'ny fahadiovan'ny fiainana. Zava-poana avokoa ny fialan-tsiny rehetra ny amin'ny fahotana. Iza no afaka hisolo ny mpanota raha sanatria ka manohitra azy Andriamanitra? —ST, 21 Avrily 1881.
Maro ireo mitonona ho Kristianina no toa an' i Akana manoloana ny fiaikena ny fahotana. Fantany ankapobeny ny tsy fahamendrehany, saingy tsy mety hiaiky ny helony izy ka dia hitambesatra mandrakariva ao an-tsainy izany. (...)
Ny tena fibebahana marina dia avy amin'ny fahatsapana fa ratsy ny fahotana. Ny fiaikena ankapobeny ny fahotana kosa dia noho ny tsy fietrena marina ataon'ny fanahy eo anatrehan'Andriamanitra. Mahatonga ny mpanota ho afa-po amin'ny tenany izany ka handeha araka izay nandehanany teo aloha ihany izy, mandra-pahatonga ny feon'ny fieritreretany ho dombo ka tsy hahita loza intsony izy eo anatrehan'ireo fampitandremana nanaitra azy fahiny. Manjary mety ny fahitany ny asa feno fahotana ataony. Ho diso aoriana loatra anefa amin'ny fotoana hahitany ny vokatry ny fahotany, satria tsy hisy fanatitra na sorona hahonitra izany mandrakizay. (...) — ST, 5 Mey 1881.
(...) Ny fibebahan'i Akana, na dia tratra aoriana aza ka tsy nitondra famonjena ho an'ny tenany, dia naneho ny toetran'Andriamanitia teo amin' izay nataony tamin' i Akana. Ary izany dia nanakatom-baravarana ny fakam-panahy mpahazo ny zanak'Isiraely - ny fanomezan-tsiny ireo mpanompon'Andriamanitra noho ireo asa nampiandraiketin'Andriamanitra azy ireny. — SDABC, b. 2, t. 997.