Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatratra ny idealin’i Kristy

Daty
Sabotsy 13 December 2025

 "Fa  Izao no lazain'ny Tompo, dia Jehôvah , ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin 'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin 'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian 'ny herinareo; nefa tsy nety hianareo." – Isa. 30:15.

Mofon’aina:

Hitan'Andriamanitra ny ezaka rehetra ataonao mba hanatrarana ny filamatra efa napetrany ho anao. Rehefa tsy mahomby ianao, rehefa voafandrika hanota, dia aza mihevitra fa hoe tsy afaka mivavaka, na koa tsy mendrika hankeo anatrehan'Andriamanitra. (...) Amin' ny sandry mitsotra no hiandrasany hisakambina ilay nania. Manatôna Azy, ary lazao Azy ny fahadisoanao sy ny tsy fahombiazanao. Angataho Izy hanatanjaka anao ho amin'ny ezaka vaovao. Tsy handiso fanantenana anao Izy na hanararaotra ny fitokisanao Aminy. (...) 

Hihatra aminao ny fizahan-toetra. Amin' izany no handaman'ny Tompo ny marokoroko amin'ny toetranao. Aza mimonomonona. (...) Na dia misy manisy ratsy anao aza, dia hazony ao am-ponao ny fitiavana an'Andriamanitra. (...) 

Fantatr'i Kristy ny herin'ny fakam-panahy mihatra aminao sy ny hery hoentinao manohitra izany. Ny sandriny dia mitsotra mandrakariva, miantra sy manambitamby ny zanany ory rehetra. Ho an' izay alaim-panahy na kivy dia hoy Izy: Anaka, ianao no antony nijaliako sy nahafatesako, afaka matoky Ahy ve ianao? (...)

Tsy misy teny mahalaza ny fiadanana sy ny fifaliana ananan'izay mihazona an'Andriamanitra amin'ny Teniny. Tsy mampaninona azy ny fitsapana ary tsy manafintohina azy ny fanevatevana. Voahombo ny izaho. Mety hihamavesatra isan'andro ny adidiny, mety hihamahery koa ny fakam-panahy mamely azy, ary mety hihamafy ny fitsapana, nefa tsy milofika izy, satria mandray hery mifanentana amin' izay ilainy hiatrehana izany. — YI, 26 Jona 1902. 

(...) I Kristy tsy nanome toky tsy akory fa zavatra mora ny hahatrarana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.(...) Ny toetra amam-panahy ambony dia azo noho ny fiezahan'ny tena manokana amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny fahasoavan'i Kristy. Manome antsika ny talenta sy ny fahaizana Andriamanitra; anjarantsika ny mamolavola ny toetra amam-panahy.(...) Tokony hokianintsika akaiky ny tenantsika ka tsy avelantsika hisy lafiny iray tsy ho voahitsy. (...)-HF, t. 339 (ed. 2004)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal