Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora

Daty
Alarobia 10 December 2025

FAMALIANA MORA

Vakio ny Jos. 22:21-29 ary ampifandraiso amin'ny Ohab. 15:1. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny valintenin'ireo foko avy any an-dafy atsinanan'i Jordana?

Ny valintenin'ireo voampanga, na dia nivantana sy nahery vaika aza ny fiampangana, no ivon'ity toko ity araka ny lohahevitra misy azy sy araka ny firafiny. Hatreto, dia tsy mbola namaly ny fiampangana natao taminy ireo foko ireo fa nihaino tamim-panginana ny faniniana azy ireo. Raha jerena ny heloka lehibe notondroina ho nataon'izy ireo, dia faka tahaka tokoa ny faharetany, satria nasehony ny tena hevitry ny ohabolana hoe: "Ny farmaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana."- Ohab. 15:1.

Ny teny nanombohan'izy ireo ny fiarovan-tenany dia fitohitohizan'ny anarana fiantsoana an'Andriamanitry ny Isiraely: El, Elohim, Yahweh (Jos. 22:22). Naverina indroa izany ary nihanitombo ny heriny, satria nanjary fianianana mba hampisava ny fisalasalana sy ny fanendrikendrehana izay saika nitarika adim-poko teo amin'ny Isiraely. Resy lahatra tokoa izy ireo fa fantatr'Andriamanitra tanteraka ary takany ny zava-miseho, ary nantenainy fa ho tonga amin'izany fahatakarana izany koa ireo solontena ireo. Neken'ireo foko roa sy ny antsasaky ny fokon'i Manase ireo koa fa hampamoahina eo anatrehan'i Jehovah izy ireo ka niantso Azy mba hanao famaliana izy raha toa ka hita fa meloka tokoa (ampitahao amin'ny Deo. 18:19; 1 Sam. 20:16).

Fanambarana manaitra no manaraka izany, fanambarana izay manafoana ilay fiampangana amin'ny lafiny iray (tsy natao hanaovana fanatitra ihany ny alitara). Ary amin'ny lafiny iray hafa dia mampiharihary ny antony nanosika azy ireo hanangana alitara izany, tsy inona izany fa ny tahotra andrao hosarahina amin'ny firenen'ny Isiraely, fa tsy fihemorana tsy akory. Araka izany, dia tsy porofon'ny fihemorana, araka izay noheverin'ny hafa, ny nananganan'ireo foko any an-dafy atsinanan'i Jordana ireo an'ilay alitara. Ny mifanohitra amin'izany aza no izy: nanao izany izy ireo noho ny fahatahorany an'i Jehovah, tahaka ireo foko any an-dafy andrefana ihany. Tsy ny jeografia na ny fidadasiky ny lovan'ny Isiraely no fototra iorenan'ny firaisan'izy ireo, fa ny fanoavana ara-panahy asetriny ireo fitakian'i Jehovah.

Hita koa anefa fa vokatry ny fo tokoa ny ahiahin'ireo foko tany an-dafy andrefan'ny ony rehefa naneho fifaliana izy ireo manoloana ny fahitana fa tsy meloka ireo foko tany atsinanan'i Jordana. Tsy nahatsiaro ho resy tao anatin'ny adihevitra nifanaovany tamin'ireo rahalahiny izy ireo, fa naneho fifaliana vokatry ny fo noho ny fahitana fa diso ny ahiahiny. Voasoroka ilay adim-poko teo amin'ny Isiraely ary voatahiry ny maha-iray ilay firenena.

Ahoana ny fomba fiatrehanao ny fanendrikendrehana? Zarao ny sasany amin'ireo fitsipika izay mifehy ny toetra amam-pihetsikao manoloana izany. Azonao jerena ny Sal. 37:3-6, 34, 37 hoenti-mamaly izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal