NY FAHATEZERAN'I JEHÔVAH
Ahoana no tokony hanazavantsika ny filazana momba ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaliany ao amin'ny bokin'i Josoa (Jos. 23:15,16) sy ao amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina? (Jereo koa ny Nom. 11:33; 2 Tant. 36:16; Apôk. 14:10,19; Apôk. 15:1.)
Efa nanandrana ny fahatezeran'i Jehôvah ny Isiraely nandritra ny firenireneny tany an'efitra (Nom. 11:33, Nom. 12:9), sy tao amin'ny Tany Nampanantenaina (Jos. 7:1), ary fantatr'izy ireo tsara ny vokatry ny fihantsiana an'i Jehôvah tamin'ny nanitsakitsahany miharihary ny fanekeny. Ireo andininy ireo no teny henjana indrindra ao amin'ny lahatenin'i Josoa. Mahatahotra ny mandre fa handringana ny Isiraely i Jehôvah, satria io teny io ihany no efa nampiasaina teo aloha nilazana ny famongorana ny Kananita. Tahaka ny maha-azo antoka ny fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'i Jehôvah momba ny hitahiana ny Isiraely, no maha-azo antoka ny fahatanterahan'ireo ozona ao amin'ny fanekena koa (Lev. 26, Deo. 28) raha mivadika ny faneken'i Jehovah ny Isiraelita. Rehefa dinihina ny fandroahana sy ny fandringanana ny Kananita, dia hita indray ao amin'ireo andininy ireo fa i Jehovah no mpitsara farany ny tany rehetra. Miady amin'ny fahotana Izy, na aiza na aiza toerana ahitany azy. Tsy nahamasina na nampahamendrika ny Isiraely ny fandraisany anjara tamin'ny ady masina, tahaka ny tsy nahamasina ireo firenena jentilisa koa, na dia nataon'i Jehôvah fitaovana teo am-pelatanany aza izy ireo tatý aoriana, ho fitsarana ilay firenena voafidy.
Miankina amin'ny safidin'ny Isiraely ny hahatonga ireo fandreseny be voninahitra tamin'ny lasa ho antoky ny hoaviny.
Raha jerena ivelambelany dia toa tsy mifanaraka amin'ny fanantitranterana ny maha-fitiavana an'Andriamanitra (Jao. 3:16; 1 Jao. 4:8) ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahatezeran'Andriamanitra. Kanefa ao amin'ny fandinihana ny fahatezeran'Andriamanitra indrindra no ahitana mazava kokoa ny foto-pampianarana ara-Baiboly momba ny fitiavan'Andriamanitra lehibe. Voalohany, asehon'ny Baiboly ho be fitiavana, mahari-po, manam-paharetana ary vonona hamela heloka Andriamanitra (Eks. 34:6, Mika 7:18). Na izany aza, ao anatin'ny tontolo voaloton'ny fahotana, dia fanehoan'Andriamanitra ny fahamasinany sy ny fahamarinany eo anatrehan'ny fahotana sy ny faharatsiana ny fahatezerany. Tsy fihetseham-po mitroatra, na valifaty, na vokatry ny fahatairana tampoka velively ny fahatezerany. Mampianatra ny TV fa natao ota ho antsika i Kristy (2 Kôr. 5:21), ary tamin'ny alalan'ny fahafatesany no nampihavanany antsika tamin'Andriamanitra (Rôm. 5:10). Tsy voatery hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra izay rehetra mino Azy (Jao. 3:36; Efes. 2:3; 1 Tes. 1:10). Ny foto-kevitra momba ny fahatezeran Andriamanitra dia mampiseho an'Andriamanitra ho Mpitsara marina izao tontolo rehetra izao, sy ho llay Mpiaro ny fahamarinana (Sal. 7:11; Sal. 50:6; 2 Tim. 4:8).