Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manjary manetry tena

Daty
Alakamisy 18 December 2025

 "Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko." - 2 Kôr. 12:6.

Mofon’aina:
Tokony ho tahaka an'i Kristy ireo mpanaraka Azy – noho ny   fahasoavan'Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy mifandrindra amin'ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly.

Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy ihany sy amin'ny alalan'ny hery avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatiny. (...)

 (...) Asehon'ny Soratra Masina mazava fa miandalana ny asan'ny fanamasinana. Rehefa vita fihavanana amin'Andriamanitra ny rnpanota amin'ny alalan'ny ran'ny fanavotana, dia vao manomboka amin'izay ny fiainanakristiana. Izao izy vao mandroso "ho amin'ny fahatanterahana," hitombo ka "hahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." (...) I Petera kosa mampiseho antsika ireo dingana izay hahatratrarana ny fahamasinana voalazan'ny Baiboly. "Manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fàhatanjahan-tsainareo dia fahazavana, ary amin 'ny fahalaianareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an 'Andriamanitra, ary amin 'ny toe-panahinareo araka an 'Andriamanitra dia .fitiavana ny rahalahy (...) fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay" -2 Pet. 1:5-10. 

Ireo izay miaina amin'ny fanamasinana araka ny Baiboly dia mampiseho toe-tsaina feno fanetren-tena. Tahaka an' i Mosesy dia efa nahita ny voninahitra mahatahotry ny fahamarinana izy, ka mahita ny tsy fahamendrehan'ny tenany mifanohitra amin'ny fahadiovana sy ny fahatanterahana feno eo amin'Ilay tsy manam-petra. (...) 

Tsy mety hisy fanandratan-tena, na fireharehana fa afaka amin'ny fahotana amin'izay mandeha eo amin'ny aloky ny hazo fijalian' i Kalvary. Tsapany fa ny fahotany no nahatonga ny ady nihatra aman'aina izay nahavaky ny fon'ny Zanak'Andriamanitra, ka io fisainana io dia hitarika azy ho amin'ny fanetren-tena lalina. (...).- HM, tt. 484, 485.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal