Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fibebahana marina avy amin'ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 29 December 2025

"Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin 'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony." - Jer. 26:3.

Mofon’aina:      
Nanoratra toy izao ny Apôstôly Paoly: "Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalana, satria tsy fantatro akory ny .fitsiriritana, raha tsy ny lalana no nanao hoe : Aza mitsiriritra" - Eks. 20:17. Ny lalàna izay mampanantena fiainana ho an'izay mankato’ azy dia manonona fahafatesana koa ho an'izay mandika azy. "Ary koa" raha nilaza izy manao hoe "masina ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara" – Rom. 7:12.

Tahaky ny ahoana ny fifanoheran' izany tenin'i Paoly izany sy izay re avy eny polipitra maro ankehitriny. Nisy nilaza mantsy fa ny fankatoavana ny lalan'Andriamanitra dia tsy ilaina amin'ny famonjena; fa ny finoana an'i Jesôsy dia ampy. Raha tsy misy lalàna, dia tsy hisy fiaikena ny fahotana eo amin'ny olombelona ka tsy hisy filana fibebahana. Tsy ho hita fa ny fandikana ny Didin'Andriamanitra dia tena mahavery mihitsy, ka dia tsy hahatsapa ny vidin'ny sorona nataon'i Kristy izay hany fanantenana famonjena ho azy. Ny lalàn'Andriamanitra dia fitaovana mahatonga fibebahana marina. Tsy misy tena fibebahana marina raha tsy misy fiaikena fahotana.

Izao no ambaran'ny Soratra Masina: "fa ota ny fandikana ny lalàna" ary koa ny lalàna no ahazoana fahalalana marina ny amin'ny ota" – Rom. 3:20.

Mba hahafahana mahita ny heloka dia tsy maintsy tsaraina amin'ny filamatra Lehiben'ny fahamarinan'Andriamanitra ny toetry ny mpanota. (...) Koa rehefa ambaran'ny lalana ny fahotana dia teraka ny fanafodiny. Ny filazantsaran' i Kristy irery no afaka manome famelan-keloka. (...)

Raha tsy misy fibebahana marina dia tsy misy fiovam-po marina. Maro no kivy eto ary matetika loatra ny fanandramany no manaporofo fa tsy mahomby izy. Izany no mahatonga ny maro hamonjy fiangonana fotsiny saingy tsy tafaray amin'i Kristy akory. (...)

Eo amin'ny fahateraham-baovao dia nohavaozin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny fo mba hirindra miaraka Aminy ho amin'ny fanarahana ny lalany. Rehefa tanteraka ity fiovana lehibe ity dia hiala avy fahafatesana ho amin'ny fiainana ny mpanota (...) Dia ho tanteraka ao amintsika ny "fahamarinan'ny lalàna" izay "tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy" – Rom. 8:4. — SP, 4:297, 298.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal