Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fibebahana marina avy amin'ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 29 December 2025

"Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin 'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony." - Jer. 26:3.

Mofon’aina:      
Nanoratra toy izao ny Apôstôly Paoly: "Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalana, satria tsy fantatro akory ny .fitsiriritana, raha tsy ny lalana no nanao hoe : Aza mitsiriritra" - Eks. 20:17. Ny lalàna izay mampanantena fiainana ho an'izay mankato’ azy dia manonona fahafatesana koa ho an'izay mandika azy. "Ary koa" raha nilaza izy manao hoe "masina ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara" – Rom. 7:12.

Tahaky ny ahoana ny fifanoheran' izany tenin'i Paoly izany sy izay re avy eny polipitra maro ankehitriny. Nisy nilaza mantsy fa ny fankatoavana ny lalan'Andriamanitra dia tsy ilaina amin'ny famonjena; fa ny finoana an'i Jesôsy dia ampy. Raha tsy misy lalàna, dia tsy hisy fiaikena ny fahotana eo amin'ny olombelona ka tsy hisy filana fibebahana. Tsy ho hita fa ny fandikana ny Didin'Andriamanitra dia tena mahavery mihitsy, ka dia tsy hahatsapa ny vidin'ny sorona nataon'i Kristy izay hany fanantenana famonjena ho azy. Ny lalàn'Andriamanitra dia fitaovana mahatonga fibebahana marina. Tsy misy tena fibebahana marina raha tsy misy fiaikena fahotana.

Izao no ambaran'ny Soratra Masina: "fa ota ny fandikana ny lalàna" ary koa ny lalàna no ahazoana fahalalana marina ny amin'ny ota" – Rom. 3:20.

Mba hahafahana mahita ny heloka dia tsy maintsy tsaraina amin'ny filamatra Lehiben'ny fahamarinan'Andriamanitra ny toetry ny mpanota. (...) Koa rehefa ambaran'ny lalana ny fahotana dia teraka ny fanafodiny. Ny filazantsaran' i Kristy irery no afaka manome famelan-keloka. (...)

Raha tsy misy fibebahana marina dia tsy misy fiovam-po marina. Maro no kivy eto ary matetika loatra ny fanandramany no manaporofo fa tsy mahomby izy. Izany no mahatonga ny maro hamonjy fiangonana fotsiny saingy tsy tafaray amin'i Kristy akory. (...)

Eo amin'ny fahateraham-baovao dia nohavaozin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny fo mba hirindra miaraka Aminy ho amin'ny fanarahana ny lalany. Rehefa tanteraka ity fiovana lehibe ity dia hiala avy fahafatesana ho amin'ny fiainana ny mpanota (...) Dia ho tanteraka ao amintsika ny "fahamarinan'ny lalàna" izay "tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy" – Rom. 8:4. — SP, 4:297, 298.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal