Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Havela heloka ary horaisina izay mibebaka.

Daty
Alarobia 31 December 2025

"He hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homema! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena." – Isa. 55:1. C

Mofon’aina:
Lavo i Davida fa natsangan'Andriamanitra izy. Nanom-boka teo, dia nivelona nanakaiky kokoa an'Andriamanitra sy ny rahalahiny izy noho ny tamin'ny lasa. Faly izy tamin'ny fampiononana azony ka nihira hoe: "Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloka tsy mba nafeniko, hay izaho: hiaiky ny fahadisoako amin Jehôvah aho; ary Hianao, dia namela ny heloky ny fahotako, Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy (...)" - Sal. 32:5-7.

Misy olona betsaka mimonomonona fa manao ny tsy rariny Andriamanitra raha namela ny heloka bevava nataon'i Davida, nefa nanilika an'i Saoly nanao fahotana izay noheveriny fa tsy dia manao ahoana loatra. Hadinon'izy ireo mantsy fa nanetry tena sy niaiky heloka i Davida, fa i Saoly kosa nanamavo ny fananarana sy nikiribiby tao amin'ny fahotana. 

Misy dikany lehibe ho an'ny mpanota mibebaka io andalana teo amin'ny tantaran'i Davida io. Io no anankiray amin'ireo sary anazavana mahery vaika indrindra omena antsika maneho ireo tolona sy fakam-panahy atrehin'ny taranak' olombelona, mbamin'ny fibebahana marina amin' Andriamanitra ary ny finoana an'i Jesôsy Kristy Tompontsika. Ny zava-nihatra tamin'i Davida dia nanjary loharanon-kery nandritra ny taonjato rehetra nifandimby ho an'ireo fanahy lavo tao amin'ny fahotana ka nitolona te ho afaka teo ambany vesatry ny fanamelohana azy. (...)

Na iza na iza anarin'Andriamanitra ka hampietry ny fanahiny amin'ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana, tahaka izay nataon' i Davida, dia mahazo matoky fa misy fanantenana ho azy. (...) Tsy mba holavin'ny Tompo mihitsy ny fanahy iray tena mibebaka marina. Efa nanome ity teny fikasana ity Izy: "Aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy, ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy"– Isa. 27:5. "Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin 'i Jehôvah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy" – lsa. 55:7.- PM, ed 2025, t. 727. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal