Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifankazatra amin’Andriamanitra.

Daty
Zoma 02 January 2026

" Mifankazara amin’ny Tsitoha hianao, dia hiadana; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Masina hianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny." Jôba 22:21,22.

Mofon’aina:     
Efa drafitra nokotrehin’i Satana hatrany am-boalohany ny hahatonga ny olona hanadino an’Andriamanitra, mba hanintonany azy ireo ho eo aminy. Nataony, araka izany, izay hanehoana amin’ny fomba diso ny toetran’Andriamanitra (...) Sarin’ny Mpahary mitafy ny toetran’ilay andrianan’ny faharatsiana, mpanao didy jadona sy lozabe ary tsy mamela heloka, no nampidiriny tao an-tsain’izy ireo, mba hahatonga ny olona hatahotra sy handositra ary hankahaia Azy mihitsy aza.

Tonga tety i Kristy mba hampahafantatra ny toetran’Andriamanitra, amin’ny maha fitiavana sy be indrafo sy fiantrana Azy. Hay Mpanavotra an’izao tontolo izao no nandroaka ny haizina matevina izay nanaronan’i Satana ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ka naseho ho hitan’ny zanak’olombelona indray ny maha Fahazavan’aina ny Ray. (...)

Malahelo i Kristy raha mijery ny olona revo tanteraka amin’ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fahasarotan’ny asa aman- draharahany ka tsy manam-potoana hifankazarana amin’Andriamanitra. Efa verin’izy ireo ny fisaintsainana sy ny faniriana momba ny lanitra. Tsy mifankazatra amin’ny zavatry ny lanitra izy ka mahamonamonaina azy ny fandrenesana momba izany. Tsy tiany hanembantsembana ny sainy ny fampieritreretana azy momba ny filany famonjena. Kanefa irin’ny Tompo ny hanaitra ny sainy mba hahatonga azy ireo hahafantatra Azy, dieny tsy mbola tratra aoriana, ary handray ny famonjena atolony. (...)

Ho avy ny andro izay hanononana amin’ny fomba mampivarahontsana ny fahatezeran’Andriamanitra m irehitra amin’ireo izay nitoetra tao amin’ny tsy fankatoavana Azy. (...) Tsy voatery ho anisan’ireo izay hianjeran’ny fahatezerany ianao. Velona ao anatin’ ny androm-pamonjeny isika izao. Mamirapiratra amin’ny taratra mazava sy manjopiaka ny fahazavana avy eo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary, mampiseho an’i Jesôsy Hay fanatitra noho ny otantsika. “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika (...)” - Efes. 1:7.

Irin’Andriamanitra ny hamerina indray ny endriny ao aminao. Inoy fa Izy no Mpamonjy anao. Manapaha hevitra mba hifankazatra Aminy. Rehefa manatona Azy amin’ny fiaiken- keloka sy ny fibebahana ianao, dia hanatona anao amin’ny famindram-po sy ny famelan-keloka Izy. – RH, 15 Febroary, 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal