Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Iohahevitra ambony indrindra

Daty
Alakamisy 08 January 2026

 "Izao no nanehoana ny fitiavan 'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany." - 1 Jao. 4:9

Mofon’aina:
Tsy mety ho takatry ny fisainan'ny olombelona na ny   anjely ny drafi-panavotana, izay namonjen'ilay Mpanavotra be indrafo (...) ny taranak'olombelona tamin'ny fanandevozan'ny fahotana. Lehibe loatra (....) izany zava-miafina izany ka tsy azo antenaina velively ny hahatakarantsika azy amin'ny fahafenoany.

 Tsy manam-paharoa ny sorona nataon'i Kristy ho an'ny olombelona lavo. Izany no Iohahevitra ambony sy masina indrindra azontsika dinihina. Ny fo rehetra izay nohazavain'ny fahasoavan' Andriamanitra d ia voataona hiankohoka sy haneho fankasitrahana sy fiderana eo anatrehan' ilay Mpanavotra noho ny sorona mandrakizay nataony.

 Tsy nitovy tamin'ny olona rehetra i Jesosy avy any Nazareta teo amin'ny fiainany rehetra (...) lzy no hany ohatra marina amin'ny fahatsarana sy ny fahatanterahana. Tamin'ny fiantombohan'ny asa fanompoana nataony no nanomboka nahatakaran'ny olombelona ny toetran'Andriamanitra. (...) Ny iraka notanterahin'i Kristy teto an-tany dia ny hampiseho amin'ny olombelona fa tsy mpanao didy jadona i Jehovah fa Ray any an-danitra izay tia sy mamindra fo amin'ny zanany. (...)

Ao anatin'ny fijaliana sy ny fahorian'ny olona dia misy Maso antra sy Fo tia. Tahaka ny fiantràn 'ny ray ny zanany no fiantràn Jehovah izay matahotra Azy'. - Sal. 103:13. Mihevitra antsika amin'ny halemem-panahiny Andriamanitra ary mangoraka antsika ao amin'ny fahalementsika sy ny fahoriantsika. Mety ho kivy sy very fanantenana isika, mety handrakotra antsika ny rahona matev in' ny fahoriana, nefa ao aloha ao ny mazava. Ao ambadiky ny haizina dia misy Sakaiza iray miray fo sy mangoraka, izay tsy mankasitraka ny hampalahelovana na hampahoriana ny zanak'olombelona.

Ao amin'ireo fitahiana feno fahasoavana narotsak'ilay Raintsika any an-danitra no hahitantsika porofo tsy tambo isaina ny amin'ny fitiavana tsy manam-petra sy ny fiantrana mihoatra noho izay tsapan'ny renim-pianakaviana manoloana ny zanany mania. Rehefa mandinika ny toetran'Andriamanitra eo amin'ny hazavan'ny hazo fijaliana isika, dia habita famindram-po sy fahalemem-panahy ary famelan-keloka miharo rariny sy hitsiny. Dia hanao toa an'i Jaona isika hoe: "Endrey! Alanao ahoana ny .fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak 'Andriamanitra". - 1 Jao. 3:1 — TFC, b. 4, tt. 461, 462. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal