Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamarinina amin’ny alalan’i Kristy

Daty
Zoma 09 January 2026

"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy — 2 Sam. 1 antsika, mba ho tonga fahamarinan 'Andriamanitra ao Aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21.

Mofon’aina:
Tsy niaro ny Zanany ilay Andriamanitry ny   fahamarinana (...) Ny trosa rehetra noho ny fandikana ny lalàn' Andriamanitra dia notakina tamin'ilay Mpanelanelana antsika. Fanavotana feno no nilaina. Ary marina tokoa ny voalazan'i Isaia, manao hoe: "Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy." (...) "Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika." - Isa. 53:10,5.

Nijaly sy nandray ny sazy faratam-pony i Jesosy noho ny fandikantsika lalana, ka afa-po tanteraka ny rariny. Tsy nofoanana ny lalàna; tsy nisy very na dia tsipiriany bitika aza amin'ny heriny fa mijoro amin'ny fahamendrehana masina izy, ary ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana no manambara ny tsy fiovaovany. (...) 

Andriamanitra tsy niaro ny Zanany Lahitokana, fa mba hanehoana ny halalin'ny fitiavany ny olombelona dia foiny ho antsika rehetra Izy. "Indro ny Zanak'ondrin 'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29. Indro Izy, maty teo amin'ny hazo fijaliana. Jereo ilay mitovy amin' Andriamanitra nefa esoin'ny vahoaka sy harabirabiny. Indro Izy tao Getsemane, nihohoka noho ny vesatry ny fahotan'izao tontolo izao.

(...) Henoy ny fitarainany: "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" - Mar. 15:34. Natao toy ny anankiray amin'ny mpanota Izy, mba ho azo hamarinina isika; mba ho marina Andriamanitra nefa koa manamarina ny mpanota. (...)

Tsy hay aseho ny fitiavana eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Tsy hita fetra izany. Ao Kristy no ahitan'Andriamanitra ny hatsaran-tarehy sy ny fahatanterahana izay ao Aminy. Mitalanjôna ry lanitra, ary aoka ho gaga ny tany, satria tsy niaro ny Zanany Andriamanitra fa nahafoy Azy mba hatao ota ho antsika, mba ho azo hamarinina eo anatrehan ' Andriamanitra ao Aminy izay mino.

 Tsy misy tenin'olombelona mahalaza ny fitiavan'Andriamanitra. Inoantsika izany ary ifaliantsika, saingy tsy mety takatsika amin'ny fahafenoany. - Ms 31, 1911.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal