Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mianatra momba Azy amin'ny alalan'ny asany.

Daty
Sabotsy 03 January 2026

"Manisy soa izao tontolo izao Jehôvah; ary ny fiantremy dia eny amin'ny asany rehetra. Jehôvah midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao." – Sal. 145:9,10.

Mofon’aina:

Tiantsika ny mandinika ny toetran'Andriamanitra sy ny   fitiavany eo amin'ireo voary noforoniny. Akory re ny hamaroan'ny porofo nomeny ny zanak'olombelona momba ny Heriny sy ny Fitiavany amin'ny maha Raintsika Azy! Nohain-goiny ny habakabaka ary nataony kanto sy mahafinaritra ny tany. "Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! (...) Raha jereko ny lanitrao, izay asan 'ny rantsan-kinanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak 'olombelona, no amagianao azy?" - Sal. 8:1, 3, 4. (...) Raha noforonina hitovy tantana izao tontolo izao dia ho nandreraka ny maso sy nanasatra ireo retsi-pandrentsika ny fitovian'ny zavatra rehetra.

Noravahan'Andriamanitra tamin'ny tendrombohitra lehibe sy ny havoana ary koa ny lohasaha (...) ny tany. Ny tendrombohitra rakotra vatomainty maraorao sy ireo izay voaravaka zava-maitso sy hazo paina ary ireo lohasaha maro feno hatsaran-tarehy mirindra dia mahatonga an'izao tontolo izao ho toy ny fitaratra maneho endrika kanto. Hita hatraiza hatraiza ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny heriny. (...) Tsy mahatsiaro ho irery mihitsy aho rehefa mijery ny hakanton'ny zavaboary. Nandritra ny dia nitetezana ireo lemaka sy tendrombohitra, dia fanajana sy fahatahorana lalina indrindra no tsapako teo am-pahitana ny hantsana mahatahotra sy ireo tampon-tendrombohitra rakotra ranomandry. Tokony ho sekoly hianarantsika momba ny toetran'Andriamanitra (...) ny tendrombohitra sy ny havoana ary ireo lohasaha. Ny asan'Andriamanitra izay hitantsika eo amin'ireo zavaboary samy manana ny endriny – (...) eny amin'ny hazo sy ny kirihitra ary ny voninkazo, eo amin'ny raving tsirairay sy ny ahitra — dia tokony handraisantsika lesona ny amin'ny fahaiza-manao ananan'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny heriny tsy misy fetra.

Tsy mba hanirery mihitsy ireo izay mandinika ny zavaboary. Tiany ny ora mangina hitokanana, satria amin'izany no ahatsapany fa manakaiky an' Andriamanitra Izy eo am-pandinihana ny Heriny eo amin'ireo voary noforoniny. – L 43, 1875. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal