Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery lehibe tsy hita maso 

Daty
Zoma 16 January 2026

"Ny rivotra mitsoka amin 'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny fanahy." Jao. 3:8.

Mofon’aina:
Manapaka ao amin'ny olona tsirairay ny Fanahy Masina; feon' Andriamanitra miteny amin'ny fanahy izany. - RH, 27 Jolay 1897.

Na ny fisainan'izay avara-pianarana indrindra aza tsy mahay mamaritra ny fiasan'ny Fanahy Masina ao anatin'ny sain'ny olona sy eo amin'ny toetrany, nefa azony jerena eo amin'ny fiainana sy ny asa ny vokatr' izany asa izany. (...)

Tsy hita maso ny Fanahin' Andriamanitra, nefa fantatsika fa ny olona izay efa maty tao amin'ny fahadisoany sy ny fahotany dia resy lahatra ka miova fo vokatry ny asany. Tonga hendry ireo adala sy nania; mibebaka amin'ny helony ireo mafy fo ary manjary mino ny tsy nanam-pinoana. Ny mpiloka sy ny mpimamo ary ny ratsy fitondrantena, dia tonga mendrika sy mahonon-tena ary madio. Manjary malemy fanahy sy tahaka an'i Kristy ireo mpikomy sy mafy hatoka. 

Azontsika antoka fa nanova tanteraka ny olona iray ny hery mahova avy amin'Andriamanitra rehefa hitantsika eo amin'ny toetrany ireo fiovana ireo. Tsy hitantsika ny Fanahy Masina, saingy hitantsika ny porofon'ny asany eo amin'ny fiovan-toetran'ny mpanota mafy hatoka. Toy ny tafio-drivotra mitsoka mafy ka manetsiketsika ny hazo avo ary mandavo azy no fiasan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ny olona, ar;, tsy misy olombelona mety maty afaka mametra ny fiasan'Andriamanitra. (...) 

Tsy hita maso izay manao ny asa, fa hita kosa ny vokatry ny asany. - RH, 5 Mey 1896.

Ireo izay tsy mandre fotsiny fa manatanteraka ny asan'i Kristy dia mampiseho eo amin'ny toetrany ny fiasan'ny Fanahy Masina. Hita eo amin'ny fitondrantena ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao anaty. Voafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainan'ny Kristianina, ary Andriamanitra mahalala ny Azy ka milaza hoe: "Hianareo no vavolombeloko." Mijoro ho vavolombelona izy ireo fa miasa ao am-pony sy manefy ny fitondrantenany ny herin'Andriamanitra. (...) 

Fantsona manapariaka ny herin'ny Fanahy Masina ireo izay mifandray am in' Andriamanitra. (...) H iseho amin'ny fitondrantena ny fiainana ao anaty. — RH, 12 Mey 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal