Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpiandry miahy sy tia antsika

Daty
Alatsinainy 19 January 2026

 "Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mihebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany." - Lio. 15:7.

Mofon’aina:
Maneho ny fiahian'ilay Mpiandry lehibe ny fanoharana kanto nataon'i Kristy momba ny ondry very iray sy ny nandaozan'ny mpiandry ireo sivy amby sivifolo mba hitady ilay very. Tsy naneho tsy fisainana manoloana ireo andian'ondry tao am-bala izy ka nanao hoe: "Manana ondry sivy amby sivifolo aho, ary hanahirana ahy loatra ny hitady ilay ondry iray very; aoka izy no hiverina dia hosokafako ny varavaran'ny vala ary hasaiko miditra izy (...)" Tsy izany fa namerimberina nanisa ny andian'ondry izy ka nony azony antoka fa very ny ondry iray, dia tsy natory izy tsy akory. Nilazaony ireo sivy amby sivifolo tao am-bala; na dia mikitroka sy mahatahotra aza ny arma, na dia sarotra sy mikisilasila aza ny lalana, na dia maharitra sy manasatra aza ny fikarohana, dia tsy sasatra izy na nangozohozo, fa nitady mandra-pahitany ilay very.

Ary rehefa hita ilay very, moa ve izy naneho fangatsiahana? (...) Nandrahona sy nikapoka io ondry io ve izy, na nandroaka azy teo alohany 
no sady nitantara taminy ny fangidiana sy ny fitaintainana tsapany noho ny aminy? Tsy izany, fa napetrany teo an-tsorony ilay ondry nania izay reraka sy ana, ary niverina nankany arnin'ny vala izy. Hiram-pifaliana rnahafinaritra no nanehoany ny fankasitrahany, ary namaly ny hiram-piravoravoany ny antoko mpihiran'ny lanitra (...). Hoy i Jesosy: "Izaho no mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho" - Jao. 10:14. Tahaka ny ahafantaran'ny mpiandry ondry ety an-tany ny ondriny no ahafantaran'ilay Lehiben'ny Mpiandry ny andian'ondriny izay miely eran'izao tontolo izao. (...) "Ary ny aminareo ondriko - ondry .fiandriko - olona hianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo." - Ezek. 34:31. - RH, 23 Aogôsitra 1892.

Na ambany na ambony ny toerana misy antsika, na ao anatin'ny aloky ny fahantrana isika na eo amin'ny taratra mamirapiratry ny harena, dia ondry tandremany ary eo ambany fiahian'ilay Lehiben'ny Mpiandry. - 23 Aogôsitra 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal