Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nifidy ahy Andriamanitra

Daty
Talata 20 January 2026

 "Satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin 'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina." - 2 Tes. 2:13.

Mofon’aina:
Voalaza ao amin'ireo andalan-teny ireo ny zava-droa loha miantoka ny famonjena ny taranak'olombelona - ny asa ataon'Andriamanitra ao am-po ary ny finoana velona sy matanjaka ananan'ireo mpanara-dia an'i Kristy. (...)

Asa (...) mandritra ny fiainana iray manontolo ny fanamasinana. Tolona atrehina mandritra ny androm-piainana ny ady atao amin.'ny "izaho", mba hahazoana fahamasinana sy handovana ny lanitra. (...) Ny fanamasinana an'i Paoly dia vokatry ny ady mitohy nataony tamin'ny tenany. Hoy izy: "maty isan-andro aho." - 1 Kôr. 15:31. (...) Amin'ny alalan'ny ezaka tsy miato no handresentsika ireo fakam-panahin'i Satana. Tsy maintsy katsahina amin-kerim-po tsy hay tohaina ny fahitsiana kristianina ary tokony hohazonina amin'ny hafanam-po tsy azo hozongozonina.

Misy siansan'ny fivavahana kristianina tokony hofehezina; lalina sy midadasika ary ambony noho ny siansan'olombelona rehetra izany, toy ny maha avo kokoa ny lanitra mihoatra amin'ny tany. Aoka ny saina hofehezina sy hobeazina ary hofanina, satria asaina manao fanompoana ho an'Andriamanitra isika, amin'ny fomba izay tsy mifandrindra arnin'ny fironana maha olona azontsika hatrany am-bohoka. Misy fironana ho amin'ny ratsy, izay nolovaina sy nokolokoloina, tokony horesentsika. Tsy maintsy hampianarinany fonts i kamba hiorenany tsara ao amin' Andriamanitra. Tokony hanorina fahazarana maro eo amin'ny fisainana isika, mba hahafahantsika manohitra ny fakam-panahy. (...)

Mahakasika ny olombelona rehetra ny teny nolazaina tamin'i Jesosy teo amin'ny Onin'i Jordana; nataon'Andriamanitra Taminy izany, amin'ny maha Solontenantsika Azy. Tsy nailika ho toy ny olona tsy misy vidiny isika na dia mpanota sy malemy aza. Nataony izay hanekena antsika "maimaimpoana ao amin 'ny Malala" - Efes. 1:6. Ny voninahitra izay teo ambonin'i Jesosy no porofon'ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Milaza amintsika ny herin'ny fivavahana izany  mahatratra ny sofin'Andriamanitra ny feon'ny olombelona ary ankasitrahana any amin'ny Iapan'ny lanitra ny fangatahantsika. (...) Ham irapiratra amintsika koa ny fahazavana nitaratra avy teo amin'ny varavaran'ny lanitra izay nisokatra teo ambonin'ny Mpamonjy, rehefa mangataka fanampiana mba hanoherana ny fakam-panahy isika. Ilay feo izay niteny tamin'i Jesosy dia milaza izao koa amin'ny fanahy mino rehetra: "Ity no Zanako malalako Izay sitrako." — RH, 15 Oktôbra 1908.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal