Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa amin'ny lanitra

Daty
Alarobia 21 January 2026

 "Miasà amin 'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny famonjena anareo." — Fil. 2:12,13.

Mofon’aina:
Miankina tanteraka amin' Andriamanitra ny olom-belona eo amin'ny asa famonjem-panahy. Tsy haiiiy amin'ny herin'ny tenany samirery ny hanao dingana hankeo amin'i Kristy raha tsy taomin'ny Fanahin'Andriamanitra izy. Eo mandrakariva izany fitaomana izany ary ho eo hatrany raha tsy mampalahelo ny Fanahy Masina izy noho ny fiziriziriany handà. (...)

 Ny Fanahy Masina dia maneho tsy tapaka amin'ny fanahy ny topy maso momba ireo zavatra mahakasika an'Andriamanitra, (...) ary raha manaiky ny saina sy misokatra ny varavaran'ny fo, dia hiara-mitoetra amin'izany olona izany i Jesosy. (...)

(...) Raha vantany vao mampirona ny sitrapontsika hifandrindra amin'ny an'Andriamanitra isika, dia efa vonona eo ny fahasoavan'i Kristy hiara-miasa amin'ny olombelona; saingy tsy hisolo antsika hanao ny asantsika izany raha tsy isika mihitsy no manapa-kevitra sy vonona hiasa. Araka izany, dia tsy ny habetsaky ny fahazavana, na ny porofo miavovona, no hanova ny fanahy; tsy izany, fa ny olona ihany, izay mandray ny fahazavana, (...) mahatsapa sy manaiky ny zavatra izay fantany fa marina sy mahitsy ary miara-miasa amin'ireo iraky ny lanitra notendren'Andriamanitra hiasa ho famonjena ny fanahy.

Raha mitoetra ao amin'ny tsy fankatoavana sy ny fahotana ny mpanota sy ny mpikomy, dia mety hamirapiratra manodidina azy ny fahazavana avy any an-danitra saingy tsy hahatapaka ny hery mahasinton'ny lainga sy ny fandrenohan'ny fitak'izao tontolo izao. (...)

Aza mankatò ny feon'ilay mpamitaka, izay mifandrindra amin'ny sitrapo tsy voamasina, fa ny sitrapon'Andriamanitra no ankatoavy. (...) lankinan'ny zavatra rehetra izany. Moa ve ny olona hiara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny "fikasana na ny fanaovana"? Raha mametraka ny sitrapony hiandany amin'Andriamanitra ny olona ka milefitra tanteraka amin'ny Sitrapony, dia hanala ny sakana izay naorin'izy tenany ihany ny ezaka ambony sy masina ataony; ho voafafa tsy ho eo am-baravaran'ny fo ny fakofako ary ho raya ny sakana izay namefy ny fanahy. Hivoha ny varavaran'ny fo ary hiditra ao i Jesosy ka hitoetra ao tahaka ny vahiny raisina amim-pifaliana. - L 135, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal