Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanorenana ho an'ny mandrakizay

Daty
Alahady 25 January 2026

 "Mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin 'izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra. " – Kôl. 4:12.

Mofon’aina:
Ilay tsy manam-petra, izay hany nahay nampisy filaminana sy hatsaran-tarehy teo amin' izay nisy korontana sy haizina (...) dia mahay mampilefitra ny fo mpikomin'ny olombelona ka mampifanaraka ny fiainany amin'ny Sitrapon'Andriamanitra. ( ...)

Manorina toetra isan'andro isika, ary manorina ho an'ny mandrakizay. Irin'Andriamanitra ny hahatonga ny fiainantsika ho modely harahin'ny olona eto amin'izao tontolo izao ny amin'izay tokony hataony sy izay mety ho toetrany raha toa izy mankatò , ny filazantsaran' i Kristy. Andeha hapetratsika eo an-tanan'Andriamanitra ny amintsika mba hanaovany amintsika araka izay heveriny fa tsara indrindra.(…) "Ary sahan 'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo" — 1 Kôr. 3:9. Raha miara-manorina Aminy isika, dia hihakanto sy ho tsara rafitra hatrany, eo an-tanan'ilay Lehiben'ny Mpanorina ny asantsika, ary haharitra mandrakizay. (...)

Hoy i Kristy amintsika: "Koa amin 'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan 'ny Rainareo Izay any an-danitra." – Mat. 5:48. Izy no ohatra ho antsika. Nalemy fanahy sy nangoraka mandrakariva Izy nandritra ny fiainany teto an-tany. Mani-pofona mandrakariva ny hery miasa mangina avy Taminy, satria ao Aminy no misy ny fahatanterahan'ny fitiavana. Mamy hoditra sady tsy sarotra nifandraisana Izy, ary tsy mba nanao marimaritra iraisana tamin'ny ratsy mba hahazoana sitraka. Raha manana izany fahamarinana izany isika, dia ho tahaka Azy amin'ny hatsaram-panahy sy ny faharetana ary ny fitiavana tsy mihevitra ny an'ny tena. Moa ve isika tsy hipetraka eo amin'ny fahazavan'ny Fanatrehany ka haneho fahalemem-panahy eo ambany fahasoavany?

Andeha isika hanome voninahitra ny finoana ambarantsika fa tanantsika ka hanaingo ny fiainantsika amin'ny toetra tsara. Avy amin' i Satana ny fiteny sy ny fihetsika feno fahasiahana fa tsy avy amin'i Kristy. Moa ve isika hanala baraka an'i Kristy amin'ny fifikirana amin'ny kilema sy ny fahalementsika? Nampanantenai na antsika ny fahasoavany. Hanatsara ny fiainantsika izany raha raisintsika. (...) Hisolo ho fahatsaran-toetra sy fahatanterahana ny kilema. Ary ireo fahasoavana izay nameno fahatsaran-tarehy ny fiainan'i Kristy no hameno ny fiainantsika. RH, 14 Janoary 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal