"Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin 'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. " — Efes. 1:2.
Mofon’aina:
Ho aminareo anie ny fahasoavana." Ny zavatra rehetra dia avy amin'ny fahasoavana omen'Andriamanitra maimaim-poana. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nananganana antsika ho zanak'Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nahatanteraka ny fanavotana sy ny fanavaozana ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin'i Kristy. (...) Na dia mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fanamelohana aza isika noho ny tsy fankatoavana, dia tsy nanary antsika lzy na namela antsika hitolona samirery amin'ny herin'ilay fahavalo. Miady ho antsika ny anjelin'ny lanitra, ary handresy ny herin'ny ratsy isika rehefa miara-miasa amin'izy ireo.
Tsy ho nahalala ny tena hevitry ny hoe "fahasoavana" mihitsy isika raha tsy lavo. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy manota, izay manompo Azy sy mankatù ny baikony rehetra, saingy tsy omeny fahasoavana. (...) Ny fahasoavana dia toetra manokana ananan'Andriamanitra, izay asehony amin'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no nitady izany, fa nomena izany mba hitady antsika. Mahafaly an'Andriamanitra ny mandrotsaka izany fahasoavana izany ho an'izay rehetra maniry azy fatratra (...). Ny filantsika ny fahasoavana no manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany isika. - RH, 15 Oktôbra 1908.
Ny fahasoavan' Andriaman itra dia miandry ny fangatahana ataon'ny fanahy mpanota tsirairay. Hositraniny ireo aretim-panahy rehetra. Ny fahasoavana no manadio ny fo amin'ny fahalotoana rehetra. Izany no fanafody atolotry ny Filazantsara ho an'izay rehetra mino. - Ms 75a, 1900.
Mety mandroso isan'andro ny diantsika eo amin'ny lalana mankamin' ny fahamasinana, nefa tsapantsika fa mbola misy haavo tokony hotratrarina ihany. Ny ezaka ara-panahy tsirairay izay atao anefa, ny fizahan-toetra mihatra amin'ny fo sy ny saina, no mampiseho ny fahasoavana be dia be ilaintsika eo am-pandrosoana.
Arakaraka ny hisaintsainantsika lalina momba ireo harena ireo no hahazoantsika azy ary koa hanehoantsika bebe kokoa ny fahamen-drehan'ny sorona nataon'i Kristy sy ny fiarovan'ny fahamarinany, ny fitiavany tsy hay lazaina sy ny fahafenoan'ny fahendreny, ary ny fahefana ananany izay entiny maneho antsika ho tsy misy tsiny na pentimpentina (...) eo anatrehan'ny Ray. - Ms 20, 1899. tsika sy Jesosy Kristy Tompo. " — Efes. 1:2.
Ho aminareo anie ny fahasoavana." Ny zavatra rehetra dia avy amin'ny fahasoavana omen'Andriamanitra maimaim-poana. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nananganana antsika ho zanak'Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nahatanteraka ny fanavotana sy ny fanavaozana ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin'i Kristy. (...) Na dia mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fanamelohana aza isika noho ny tsy fankatoavana, dia tsy nanary antsika lzy na namela antsika hitolona samirery amin'ny herin'ilay fahavalo. Miady ho antsika ny anjelin'ny lanitra, ary handresy ny herin'ny ratsy isika rehefa miara-miasa amin'izy ireo. Tsy ho nahalala ny tena hevitry ny hoe "fahasoavana" mihitsy isika raha tsy lavo. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy manota, izay manompo Azy sy mankatù ny baikony rehetra, saingy tsy omeny fahasoavana. (...) Ny fahasoavana dia toetra manokana ananan'Andriamanitra, izay asehony amin'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no nitady izany, fa nomena izany mba hitady antsika. Mahafaly an'Andriamanitra ny mandrotsaka izany fahasoavana izany ho an'izay rehetra maniry azy fatratra (...). Ny filantsika ny fahasoavana no manome antsika antoka fa handray izany fanomezana izany isika. - RH, 15 Oktôbra 1908.
Ny fahasoavan' Andriaman itra dia miandry ny fangatahana ataon'ny fanahy mpanota tsirairay. Hositraniny ireo aretim-panahy rehetra. Ny fahasoavana no manadio ny fo amin'ny fahalotoana rehetra. Izany no fanafody atolotry ny Filazantsara ho an'izay rehetra mino. - Ms 75a, 1900. Mety mandroso isan'andro ny diantsika eo amin'ny lalana mankamin' ny fahamasinana, nefa tsapantsika fa mbola misy haavo tokony hotratrarina ihany. Ny ezaka ara-panahy tsirairay izay atao anefa, ny fizahan-toetra mihatra amin'ny fo sy ny saina, no mampiseho ny fahasoavana be dia be ilaintsika eo am-pandrosoana. Arakaraka ny hisaintsainantsika lalina momba ireo harena ireo no hahazoantsika azy ary koa hanehoantsika bebe kokoa ny fahamen-drehan'ny sorona nataon'i Kristy sy ny fiarovan'ny fahamarinany, ny fitiavany tsy hay lazaina sy ny fahafenoan'ny fahendreny, ary ny fahefana ananany izay entiny maneho antsika ho tsy misy tsiny na pentimpentina (...) eo anatrehan'ny Ray. - Ms 20, 1899.