Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fatorana mampiray antsika amin'ny lanitra

Daty
Alatsinainy 02 February 2026

 "Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako." — Mat. 3:17.

Mofon’aina:
Rehefa avy nataon'i Jaona batisa tao Jordana i Kristy, dia niakatra avy tao anaty rano ary nandohalika teo amoron'ny renirano, nanao vavaka mafana mba hanomezan'ny Rainy any an-danitra Azy ny hery hoenti-miatrika ny fifanandrinana hataony amin'ilay andrian'ny haizina. Nohenoin'ny lanitra ny vavaka nataony, ka indro ny hazavan'ny voninahitr'Andriamanitra izay namirapiratra mihoatra noho ny masoandron'ny mitataovovonana, nidina avy amin'ny seza fiandrianan'ny Mandrakizay, naka ny endriky ny voromahailala (...), nanodidina Ilay Zanak'Andriamanitra. Ary nisy feo mazava avy amin' ilay voninahitra lehibe (...) nanao hoe: "Ity no Zanako malalako Izay sitrako."

lo no antoka ho an'llay Zanak' Andriamanitra fa neken'ny Ray tamin' ny alalany ilay taranaka lavo, ary omeny tombontsoa fanindroany indray. Niravona ny fifandraisana nisy teo amin'ny lanitra sy ny tany (...) izay tapaka noho ny fahalavoan'i Adama. Tonga ota ho an'ny taranak'olombelona ilay tsy nahalala ota, mba ho azo hatafy azy ireo ny fahamarinany. Tamin'ny alalan'ny toetran'i Kristy tonga lafatra no nanandratana ny zanak'olombelona hanana tom' bambidy ara-moraly tahaka ny an'Andriamanitra; ary noho ny Fahamendrehany no nampiraisana ny mety maty amin'llay tsy manam-petra. Tamin'izany no nanisian'ilay Mpanavotra an' izao tontolo izao tetezana teo amin' ny hantsana nohadin' ny fahotana.

Vitsy anefa no mahatsapa marina ny tombontsoa lehibe nomen'i Kristy ny olombelona tamin'ny nanokafany ny lanitra ho azy. Ny Zanak'Andriamanitra no solontenan'ny taranak'olombelona; ary ny fahefana sy ny voninahitra manokana nomen'ny Mpanjakan'ny lanitra sy ny teny fankasitrahana Azy, no antoka maneho indrindra ny fitiavany ny olombelona sy ny fahatsarany. Rehefa re ny vavaka fanelanelanana nataon'i Kristy ho antsika, dia nanehoana porofo ny olombelona fa hekena eo anatrehan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika amin'ny anaran'i Jesosy. Ny vavaka atao amim-pinoana izay mitohy sy vokatry ny fo tokoa no hanome antsika ny fahazavana sy ny hery hoenti-mijoro manoloana ny fameIezana mafy indrindra ataon'i Satana. (...) Fiainam-bavaka feno aina ny fiainan'ny Kristianina tsy matimaty. (...) Mampitodika antsika hijery ny lanitra misokatra ho hany loharanom-pahazavana sy loharanon-kery ilay Mpitarika antsika lehibe. - Sufferings, tt. 17-10 (ST, 7 Aogôsitra 1879). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal