Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vahiny manan-kaja

Daty
Alatsinainy 09 February 2026

"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandôndôna; raha misy mihaino nyfeoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko." Apôk. 3:20.

Mofon’aina: 
Izay rehetra manokatra ny fony ho an'i Jesosy dia handray Vahiny manan-kaja ao aminy. — RH, 24 Nôvambra 1885. 

I Jesosy no modely tonga lafatra. Aoka isika hitady izay hanehoantsika ny endriny fa tsy hanao izay mahafinaritra sy tiantsika fotsiny. Tsara fanahy sy nahalala fomba lzy, ary be fangorahana sy fitiavana. Moa mba toa Azy ve isika amin' izany lafiny izany? Miezaka ve isika mba ho feno asa tsara toy ny hanitra ny fiainantsika? (...) 

Tsy ampy ny fiaikem-pinoana fotsiny; mihoatra lavitra noho izany no ilaina. Mila fahalalana marina sy fanandramana velona ireo foto-kevitry ny fahamarinana araka ny ahitana azy ao amin'i Jesosy isika. Tsy maintsy miasa ao anatintsika ny Fanahy Masina, manazavatsara ireo foto-kevitra ireo mba ho takatry ny sa ina, ka hahafantarantsika ny heriny sy hahatonga izany ho zava-misy marina. (...)

Ho hitantsika fa ny sakana, ny fanoherana, ary ny zava-tsarotra atrehintsika dia mety ho tonga fitahiana sarobidy indrindra eo amin'ny fiainantsika, fa tsy ozona tsy akory. Ny ady sarotra sy ny fitsapana mantsy no mamolavola ireo toetra sarobidy indrindra. Kanefa tsy maintsy raisina toy ny lesona momba ny fiainana ampianarina ao amin'ny sekolin'i Kristy izany. Manome fanandramana vaovao ho antsika ny fakam-panahy tsirairay resintsika sy ny fitsapana atrehintsika am in-kerim-po, ary mampandroso antsika eo amin'ny famolavolana toetra tsara. Manjary mazava amintsika kokoa ny fomba fiasan'i Satana, sy ny fananantsika hery handresena azy noho ny fahasoavan'Andriamanitra.

I Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao. (...) Tombontsoa ho antsika ny mandeha eo amin'ny fahazavan'ny fanatrehany, sy ny mamolavola toetra sarobidy — dia fifaliana, fankasitrahana, fahari-po, ary fitiavana. Toy izany no anehoantsika ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra, ary hitara-fantsika ny fahazavana avy any an-danitra na dia eo anivon'ny ahiahy sy ny fanelingelenana eo amin'ny fiainana isan'andro aza. - RH, 24 Nôvambra 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (1)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal