Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitafy ny fahamarinan'i Kristy

Daty
Sabotsy 14 February 2026

 "Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy hisain’i Jehovah heloka." - Rôm. 4:7,8.

Mofon’aina:
Afaka mitodika amin' ilay Mpanavotra antsika amim-pitokisana feno ny fontsika rehefa misaina ny amin'izay nataony ho antsika isika (...). Azontsika atao ny mitsahatra ao amin'ny Fitiavany noho ny amin'ny finoana. Hoy lzy: "Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." - Jao. 6:37.

Mampivarahontsana ny mijoro eo anatrehan'Andriamanitra mitafy akanjo feno fahotana, eo anoloan' ny masony izay mamaky ny tsiam-baratelo m-piainants i ka rehetra. Noho ny fahamendrehan'ny sorona nataon'i Kristy anefa dia afaka ny ho madio sy tsy misy pentina eo anatrehan'Andriamanitra isika; efa nanaovana fanavotana ny fahotantsika ary efa voavela. "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9. Ny mpanota voavotra, izay mitafy ny fahamarinan'i Kristy, dia hahajoro manoloana ilay Andriamanitra mankahala ota; ho tanteraka noho ny fahamendrehan'ny Mpamonjy izy.

 Amin'ny alalan'ny finoana ny anaran'i Kristy ihany no hamonjena ny mpanota. (...) Tsy asan'ny zavaboary ny finoana an'i Kristy, fa asan'Andriamanitra ao amin'ny fisainan'ny olombelona. Ny Fanahy Masina no miasa ao amin'ny fanahy tsirairay, Izy no manambara an'i Kristy araka izay anambarana an'i Kristy ao amin'ny Ray. Ny finoana no fahatokiana amin'ny zavatra antenaina, ary fanehoana ny zavatra tsy hita. Ambony noho izay rehetra antsoin'ny olona hoe siansa izany, noho ny hery manamarina sy manamarina. (...) Tsotra tokoa ny finoana ka na ny zaza aza mahatakatra azy, nefa tsy hain'izay manam-pahalalana indrindra hazavaina izany. (...) - RH, 3 Nôvambra 1904.

Tsy hay lazaina manao ahoana re ny fitiavana nasehon'ny Mpamonjy tamin'ny zanak'olombelona! Tsy nanaisotra ny mariky ny fahotana fotsiny Izy fa manadio ny fanahy koa ary mampitafy azy ny akanjom-pahamarinany, izay tsy misy pentina sy notenomina tany amin'ny fanenoman' ny lanitra. Tsy nanaisotra ny ozona nitambesatra tamin'ny mpanota fotsiny Izy, fa nampiraisiny Aminy koa izy ary navelany hamirapiratra aminy ny taratra mazavan'ny Fahamarinany. (...) Voninahitra manao ahoana re no averin'ny olombelona lavo iray amin'Andriamanitra rehefa mibebaka sy mino izy! - RH, 23 Mey 1899.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal