Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Mpiray amin'ny fomban' Andriamanitra"

Daty
Alahady 22 February 2026

 «Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban Andriamanitra arnin` izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filana.» - 2 Pet. 1:4.

Mofon’aina:
Ho "tonga mpiray amin'ny fomban 'Andriamanitra. " Mety hitranga ve izany? Tsy misy zava-tsoa mety ho vitantsika raha amin'ny herin'ny tenantsika manokana. Ahoana àry no hahatongavantsika ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra? Amin'ny fanatonantsika an'i Kristy amin'izao toetsika izao, dia olona mita fanampiana, tsy manan-kery, ary miankina Aminy. (...) Tonga olombelona Izy mba hanakekezana ny olombelona. Tamin'ny alalan'ny rojo volamenan'ny fitiavany tsy manam-paharoa, no namatorany antsika tamin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Natao hanana hery handresena tahaka ny nandreseny isika.

Manasa antsika rehetra Izy hoe: "Mankanesa aty amiko, ( ...) Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am po aho: dia hahita ,fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo (...)." - Mat. 11:28-30.

Manana anjara atao isika amin'izany asa izany. Aoka tsy hisy hihevitra ny lehilahy sy ny vehivavy fa tsy maintsy hoentina any an-danitra, nefa tsy nisy ady nataony akory tetY an-tany. (...) Hoy Andriamanitra amintsika: "Mias.à hahatanteraka ny famonjena anareo." 

Amin'ny fomba ahoana? "Amin'ny tahotra sy hovitra; fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." – Fil. 2:12,13. Miasa Andriamanitra, ary miasa ny olona. (...) Amin' izany fomba izany ihany no ahafahantsika ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra. (...) 

Tokony ho "mpiray-miasa amin' Andriamanitra" i si ka, miara-miasa Aminy amim-pirindrana. "Sahan 'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo." - 1 Kôr. 3:9. Maneho ny toetran'olombeiona izay mita amboarina tsikelikely io fanoharana io. (...) Mila miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, miezaka mba hahatonga ny tenany ho araka izay tian'Andriamanitra ho toetrany, ka asa madio sy mendrika no handrafetany ny fiainany. (...) 

 antsika Andriamanitra mba tsy hanahy ny ampitso. Tsy ilainao ny manahy ny amin'ny herinandro na ny iray volana ho avy. Ataovy izay tsara indrindra vitanao anio. Aoka hanome voninahitra an'Andriamanitra ny fiteny sy ny fihetsikao anio. Izao no toky omena antsika: "hifarnatra amin'ny andronao ny fiadananao." - Deo. 33:25. – RI-1, 14 Avrily 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal