Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andeha isika hangataka Aminy

Daty
Alahady 01 March 2026

 "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany." - Jak. 1:5.

Mofon’aina:
Tombontsoa ho an'ny Kristianina tsirairay ny   miresaka amin'Andriamanitra ao amin'ny mangingina raha vao manomboka ny tontolo androny, ary avy eo, ny miresaka amin'ny hafa amin'ny maha mpitondra hafatr'Andriamanitra azy. Mila mandray fahazavana sy fitahiana isan'andro isika mba hanan-javatra hozaraina amin'ny hafa. Ilaina ankehitriny ny lehilahy sy vehivavy mifandray amin'Andriamanitra sy manana an'i Kristy mitoetra ao anatiny, izay manana hery miasa mangina feno fahamasinana satria miara-miasa amin'ireo anjely masina. (...)

 Rehefa mandohalika sy mitalaho eo anatrehan'Andriamanitra ny mpino, ka maneho ny fangatahany amim-panetren-tena sy fo torotoro, amin'ny teny tsotra sy marina, dia manjary hadinony ny momba ny tenany. Inona no tokony hananako mba hamolavolako toetra tahaka ny an'i Kristy? Izany no mameno ny sainy. Hivavaka toy izao izy: "Tompo ô! Raha ilainao ho fantsona hikorianan'ny fitiavanao isan'andro sy isan'ora aho, dia mangataka amim-pinoana ny fahasoavana sy ny hery efa nampanantenainao ho ahy." Fikiriny mafy ilay teny fikasana hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra (..) ary dia homena azy izany." 

Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny fiankinantsika Aminy toy izany! Izy mandre ny vavaka mafana ataontsika tsy tapaka! (...) Amin'ny haren'ny fahasoavany mahagaga no hanamasinany ny mpivavaka feno fanetren-tena, ka omeny hery izy mba hahatanteraka ny andraikitra sarotra indrindra. Atao ho an'ny Tompo avokoa ny asa rehetra, ka manandratra sy manamasina ny fanompoana hatramin'ny bitika indrindra izany. Manjary manana fahamendrehana vaovao ny teny rehetra sy ny fihetsika rehetra, ary mifandray amin'ny anjely ambony indrindra any an-danitra ny mpiasa tsotra indrindra. (...) 

Manana asa lehibe atao eto amin'izao tontolo izao ireo zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. (...) Natao hampiely fahazavana izy ireo. (...) Ny tenin'i Kristy no hambaran'izy ireo. Ho hita amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny fa voaova fo isan'andro ho amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo. Zava-mahagaga dinihin' izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona ny mpino toy izany, ary homem-boninahitra ao amin'izy ireo Andriamanitra. - RH, 4 Marsa 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal