Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 07 February 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 3:17-4:23; 1 Kor. 15:42-44; Jao. 14:27; Sal. 119:165; Jôba 1:21; 1 Tim. 6:7.

Tsianjery:

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra."-Fil. 4:6.

Ny lesontsika amin'ity herinandro ity no mamarana ny fandinihantsika ny epistily ho an'ny Filipiana, ary misy lesona sarobidy sy filamatra ho antsika eo amin'ny fiainana andavanandro izany. Toa hita ao amin'ireo andininy mamarana io epistily io ny ankamaroan'ireo soatoavina ambony-ara-pitondrantena izay nifehy ny fiainan'ny apôstôly Paoly. Tahaka ny fampianaran'i Jesôsy , izay mifantoka amin'ny toetra anaty, dia ny tsiambaratelon'ny fiainana kristianina feno fifaliana no zarain'i Paoly amintsika.

Na rehefa tsy mandeha araka izay antenaintsika aza ny toe-javatra, izay mateti-pitranga kokoa, tsy araka izay anampoizantsika azy, dia tsy mila manahy na mitebiteby na kivy isika. Misy foto-kevitra izay hanampy antsika hahazo hery hiatrehana ny ady sarotry ny fiainana, ary amin'izany no hahatsapantsika fiadanana lalina sy maharitra, izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy. Izy no mifehy ny ankehitriny sy ny ho avy, ary hanome izay rehetra ilaintsika.

Ity no zava-dehibe indrindra: tsy tokony hametraka ny fanantenantsika amin'ny rafi-pitondrana eto an-tany isika, izay mandiso fanantenana mandrakariva. Olom-pirenen'ny fanjakan'Andriamanitra isika amin'ny maha Kristianina antsika, ary omena antsika ireo tombontsoa lehibe miaraka amin'izany. Misy andraikitra koa anefa tsy misaraka amin'izany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 14 Febroary.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal