Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.

Daty
Alarobia 25 February 2026

Vakio ny Kol. 1:26,27. Indroa i Paoly no miresaka momba ny "fahagagana". Fahagagana inona?

Milaza momba ny «zava-miafin'Andriamanitra» koa i Paoly any an-kafa, izay fikasan Andriamanitra mandrakizay «voatendry ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao» - 1 Kôr. 2:7, ary nambara tamin'ny alalan'ny drafi-pamonjena. Miresaka momba io fahamarinana io i Petera, toy ny zavatra efa nandrandrain'ny mpaminany sy «tian'ny anjely hodinihina>> 1 Pet. 1:10-12. Voavolavola izany "fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao" 1 Pet. 1:20, ary «voafina hatry ny fony fahagola» Rôm. 16:25. Na Izany aza, tamin'ny alalan'ny fiainan'i Kristy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty, dia nampahafantarina izany (2 Kor. 3:14).

Ahoana no anazavan'ireto andininy manaraka ireto ny lafiny isan-karazany amin'ny drafi-pamonjena?

1. Efes. 1:7-10 …………………………..…………………………..…………………………..…………………………..

2. Efes. 3:3-6 …………………………..…………………………..…………………………..…………………………..

Amin'ny farany dia hatambatra ho iray tanteraka ao amin'i Kristy «ny zavatra rehetra" any an-danitra sy etý an-tany. Izany no antom-bavak'i Kristy ao amin'ny Jao. 17. Zava-miafina ny fomba hahatanterahan'izany mandra-pahatonga ny fotoana nanambarana azy tamin'ny alalan'ny filazantsara.

Ho fianarantsika mandritra ny mandrakizay ny antony itiavan'Andriamanitra antsika ka nanomezany an'i Jesosy, Ilay harenan'ny lanitra sarobidy indrindra, ho famonjena antsika. Izao kosa no fantatsika tsara: Maty i Kristy «hamonjy ny olona rehetra (...), mba tsy ho velona ho anny tenany intsony izay velona, fa ho an'lzay efa maty sy nitsangana hamonjy azy» - 2 Kôr. 5:15. Noho izany, izay rehetra mino an'i Kristy, na Jiosy na Jentilisa, dia samy manana ny teny fikasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny filazantsara ary natambatra ho tena iray, dia ny fiangonana.

Ny hoe "Kristy ao anatinareo» - Kôl. 1:27, dia manondro ny fitoeran'i Kristy ao am-po amin'ny alalan'ny finoana (Efes. 3:17; ampitahao amin'ny Gal. 2:20). lo firaisana ara-panahy amin'i Kristy io no mahatonga ny mpino «hiara-mipetraka any an-danitra" na dia ankehitriny aza (Efes. 2:6), sy hanandrana «ny herin'ny fiainana ho avy» - Heb. 6:5. Efa manomboka mampiray antsika amin'ny lanitra i Kristy amin'ny alalan'ny fanatrehany eo amin'ny fiainantsika. Ny filazantsara miasa ao am-pon'ny mpino no «nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava». - Kol. 1:12.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal