Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 27 February 2026

«Tsy ampy hifamatra amin'izay ilain'ny lalåna ny fahamarinana ananantsika. Nefa Kristy efa nanao lalana hahafaka antsika. (...) Raha omenao Azy ny tenanao, raha manaiky Azy ho Mpamonjy anao hianao, dia hisaina ho marina hianao noho ny alalany, na dia efa ratsy fanahy aza. Ny toetr'i Kristy no nisolo ny toetrao, ary ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra hianao, toy ilay tsy nanota iny akory.

Mihoatra noho izany dia manova ny fo koa Kristy. Mitoetra ao am-ponao amin'ny finoana Izy. Tsy maintsy manao izay hampaharitra izany fikambanana amin'i Kristy izany hianao amin'ny finoana sy amin'ny fanolorana ny sitrapопао ho Azy. Ary arakaraka ny anaovanao izany no hiasany ao anatinao, na amin'ny fikasana, na amin'ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ka dia azonao atao ny milaza hoe: «Izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.» - Gal. 2:20 (...)

Koa dia tsy manana na inona na inona amin'ny tenantsika izay azo ireharehana isika. Tsy manana antony izay azo andokafan-tena isika. Ny hany anton'ny fanantenantsika, dia ny fahamarinan'i Kristy isaina ho antsika sy ny asan'ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika.» - DHK, tt. 72,73

"Niharihary tamin'ny fahazavana nomena ahy fa maro no hiala amintsika, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia. Fanirian'ny Tompo ny hananan'ny fanahy rehetra izay milaza ho mino ny fahamarinana, fahalalana tsara sy feno momba ny fahamarinana" - Ev, t. 363.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio indray ny tsianjery: "Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga.  - 2 Kôr. 5:21. Inona no hevitr'izany? Inona no hevitry ny hoe natao ota tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika." ho antsika i Kristy, ary ahoana no anampian izany antsika hahatakatra ny toetry ny hazo fijaliana izay manambara fisoloana? Ary inona koa no hevitry ny hoe "ho tonga fahamarinan Andriamanitra ao Aminy" isika?

2. Saintsaino ilay hoe: "voavonjy indray mandeha, voavonjy mandrakizay" izay inoan'ny Kristianina maro. Nahoana isika no mino fa fampianarana sandoka izany? Inona avy ireo loza miharihary ateraky ny finoana izany? Ahoana no ahafahantsika mbola mahazo antoka ny famonjena, na dia manda izany foto-pampianarana izany aza?

3. «Mafy orina sady tafatoetra>> amin'ny finoanao ve ianao sa manao ahoana (Kol. 1:23)? Fantatrao tsara ve izay inoanao sy ny antony inoanao izany? Inona no azonao atao mba hahafantaranao tsara kokoa izay inoanao? Ary nahoana no tena zava-dehibe ny hoe «Mafy orina sady tafatoetra» amin'ny finoana ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal