Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.

Daty
Alakamisy 05 March 2026

Vakio ny Kol. 2:20-23. Ahoana no fahatakaranao ny fananaran' i Paoly raha jerena miaraka amin'ireo hevitra hafa resahina ao amin'ity toko ity?

Toy ny ao amin'ny epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Galatianina, dia antsoiny hoe "abidim-pianaran'izao tontolo izao" ny fifikirana amin'ireo lalana seremoniely jiosy (Kôl. 2:8,20; ampitahao amin'ny Gal. 4:3,9). Raha lazaina amin'ny teny hafa, tahaka ny tempoly tety an-tany, dia an'ny tany ireo zavatra ireo, kanefa isika dia olom-pirenen'ny lanitra. Tsy ilaintsika ny mitondra ny enta-mavesatry ny lalàna seremoniely satria aloka ihany ireny, izay maneho ny zava-misy iainantsika ao amin'i Kristy ankehitriny. Izany hoe, na dia Andriamanitra mihitsy aza no nanome ireny fitsipika ireny, dia tsy manan-danja intsony ireny ankehitriny satria efa tontosa ny anjara asany.

Koa satria efa foana teo amin'ny hazo fijaliana ireo fitsipika rehetra ireo, araka izay nasehon'ny Tanan'Andriamanitra nandriatra ny efitra lamban'ny tempoly (Mat. 27:51; ampitahao amin'ny Dan. 9:27), dia tsy fehezin'ireo intsony ny Kristianina (anisan'izany ireo Kristianina jiosy). Raha milefitra eo ambany fifehezan'ireo didy ireo isika, dia mifikitra amin'ity tontolo ity izay efa ho foana fa tsy amin'ilay tontolo sy fiainana vaovao izay ampanantenaina antsika ao amin'i Kristy.

Isika rahateo dia manantena fatratra "lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana." -2 Pet. 3:13, fa tsy ny fanavaozana fotsiny ity tontolo ity.

Ankoatra ny fanampian'ireo Fariseo sy mpanora-dalána ny fitakian'olombelona marobe tamin'ireo lalan'i Mosesy (jereo ny Mar. 7:1-3), dia tsy azo heverina ho fitakian’ Andriamanitra intsony, fa didy napetrak'olombelona, ny fanohizana ny fitandremana ireo fombafomba ao amin'ny Testamenta Taloha izay efa tanteraka ao amin'i Kristy. Toa nanjary vesatra ho an'ny finoana aza izany fa tsy manamafy orina azy. Mora loatra ny mihevitra fa izay mahatanteraka ny fitandremana ireny rehetra ireny dia ambony raha miohatra amin'ireo izay tsy mitandrina azy: izany toe-tsaina izany dia efa mampidi-doza. Ary ratsy kokoa noho izany aza ny fiheveran'ny olona fa hahazoany famonjena ny fitandremana ireny fitsipika ireny. Fandrika iray izay tsy tokony hahatafalatsaka antsika izany.

Manerana ny tantaran'ny fivavahana kristianina, dia manam-pahaizana momba ny Baiboly maro no tafalatsaka tao anatin'ny fakam-panahy amin'ny fanaovana fanambarana araka ny andraikitra tanany ara-pivavahana ka misandoka ny anjara asan'ny Fanahy Masina amin'ny filazana amin'ny mpino ny hevitry ny andalan-tSoratra Masina. I Kristy anefa no loharanon'ny fahamarinana ao amin'ny Soratra Masina, araka izay nampianarin'i Paoly sy ireo mpanoratra hafa ny Baiboly.

Izay efa nataon'i Jesôsy ho antsika no hany fototra iorenan'ny famonjena antsika tsy miankina amin'ny asantsika izany na amin'ny fiovana tsara ataony ao anatintsika koa aza. Ahoana no ahazoantsika antoka fa takatsika tsara izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal