Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mijoro eo amin'ny fahazavan'ny lanitra

Daty
Alarobia 04 March 2026

 «Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriarnanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.» - 2 Kôr. 4:6.

Mofon’aina:
Efa nataon'Andriamanitra izay hahatonga ny fifandrasain'ny lanitra amin'ny fanahintsika ho malalaka tsy misy sakantsakana. Azon'ny olombelona voafetra atao ny mametraka ny tenany eo amin' izay andraisany tara-pahazavana betsaka avy amin'ny voninahitry ny seza fiandrianan'Andriamanitra. (...) Azony atao ny mijoro eo amin'ny toerana izay ahazoana milaza momba azy hoe: "Ilianareo no fahazavan 'izao tontolo izao." Raha tsy nisy ny fifandraisana teo amin'ny lanitra sy ny tany dia tsy ho nisy fahazavana teto amin'izao tontolo izao. Ho ringana tahaka an'i Sodoma sy Gomora ny olona rehetra noho ny fitsarana marina ataon'Andriamanitra. Saingy tsy navela tao anatin'ny haizina izao tontolo izao. Mbola mitsotra amin'ny zanak'olombelona ny sandrim-pamindrampon'Andriamanitra feno faharetana, ary drafiny ny hanehoan'ny zanaky ny mazava taratry ny fahazavana mitosaka avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. 

Tombontsoantsika ny mijoro eo ambanin' ny tara-pahazavan'ny lanitra. Toy izany no niarahan'i Enoka nandeha tamin'Andriamanitra. Tsy mora tamin'i Enoka ny niaina tamim-pahamarinana, tahaka ny amin'izao androntsika izao ihany. Manohitra ny fitomboana amin'ny fahasoavana sy ny fahamasinana izao tontolo izao tamin'ny andron'i Enoka, toy ny amin'izao androntsika izao koa. 

Tamin'ny alalan'ny vavaka sy ny fiombonana amin'Andriamanitra no nahafahan' i Enoka nandositra ny fahalotoana izay eo amin' izao tontolo izao noho ny filana. Miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotry ny andro farany isika izao, ary tsy maintsy manovo hery avy amin'ny Loharano iray ihany. Tsy maintsy miara-mandeha amin'Andriamanitra isika. Asaina misaraka amin'izao tontolo izao isika, satria ho voan'ny fahalotoana eto raha tsy manao tahaka an'i Enoka mahatoky.

Tokony ho takatr' ireo izay mitonona ho mpanaraka ny fivavahan' i Kristy fa andraikitra teille no ankinina aminy. Tokony ho tsapan'izy ireo fa asan'ny tena manokana izany, asan'ny tsirairay ny fitoriana an'i Kristy. Raha samy mahatsiaro izany ny rehetra ka samy mandray an-tanana ny asa, dia hahery toy ny tafika mitondra faneva isika. Hidina eo amintsika Ilay voromailala avy any an-danitra, ary tsy ho takona amintsika, tahaka ny tamin'i Enoka, ny fahazavan'ny voninahitr'Andriamanitra. - RH, 9 Janoary 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal