"Miantombena amin 'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho." - Sal. 62:5,6
Mofon’aina:
Nomena ny tsirairay avy amintsika ny tombontsoa tsy azo refesina, ny ho zanak'Andriamanitra. (...) Samy mpanota avokoa isika, nefa manana Mpamonjy afaka manaisotra ny fahotantsika, satria tsy misy ota ao Aminy Samy manana olana maro atrehina isika, manana zava-tsarotra maro tsy maintsy vahana. Nefa manana Mpanampy tsitoha isika, izay vonon-kihaino ny fangatahantsika amim-pifaliana tahaka ny nihainoany ny fangatahan'ireo izay nanatona Azy (...) fony Izy tety an-tany. (...)
Nanao fahadisoana ye ianao? Aza avela hanakivy anao izany. (...) Manatona an'i Jesosy, mangataha famelana Aminy, ary inoy fa hanao izany Izy. "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tstfahamarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9.- RH, 7 Avrily 1904.
Rehefa manindry mafy anao ny fahakiviana, dia vakio izao andinin-tSoratra Masina izao:
"Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon 'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy. Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony Ana ny .fihirana Azy, dia vavaka amin 'Andriamanitry ny aiko. Hoy izaho amin 'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian 'ny .fahavaloko? (...) Nahoana no mitanondrika ianao, ry .fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantena an 'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro." - Sal. 42:7-9, 11.
"Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin 'ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin 'ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany." - Sal. 46:1-3
"Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin 'ny fahafatesana aza." - Sal. 48:14. - RH, 7 Avrily 1904.