Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitakian'ny Raintsika any an-danitra

Daty
Zoma 01 May 2026

 «Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay.» - Deo. 5:26.

Mofon’aina:
Mijoro ho toy ny Ray eo anivon'ny vahoakany Andriamanitra, ary amin'ny maha ray Azy no itakiany fanompoana mahatoky avy amintsika. Diniho ny fiainan'i Kristy. Mijoro ho lohan'ny taranak'olombelona Izy, manompo ny Rainy, ary Izy no ohatra mampiseho izay tokony ho toetry ny zanaka rehetra. Ny fankatoavana izay nasehon'i Kristy no takin' Andriamanitra amin'ny olombelona rehetra ankehitriny. (...) «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô» hoy Izy «no sitrako, ai); ny lalànao no ato anatiko» - Sal. 48:8. Tsy nisy fahafoizan-tena noheverin'i Kristy ho lehibe loatra, sy asa noheveriny ho mafy loatra, mba hanatanterahany ny asa izay niaviany. Hoy Izy, fony Izy roa ambin'ny folo taona: «Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin'ny raharahan 'ny Raiko Aho?» - Lio. 2:49. Efa nandre ny antso Izy, ary efa nandray ny asa: «Ny haniko» hoy Izy «dia ny manao ny sitraponIzay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany» - Jao. 4:34.

Toy izany no tokony hanompoantsika an'Andriamanitra. Izay feno fanoloran-tena indrindra amin'ny fankatoavana Azy no tena manompo an'Andriamanitra. Izay rehetra te ho zanakalahy sy zanakavavin' Andriamanitra dia tsy maintsy manaporofo fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy i Kristy ary ny anjelin'ny lanitra. Io no fisedrana ny fanahy tsirairay. ( ...)

 Ny tanjona lehibe kendren' Andriamanitra dia ny hisedrany ny olona amin'ny fanomezany azy fotoana hamolavolana ny toetra amam-panahiny. (...) Tsy ividianana ny fitiavan'Andriamanitra ny asa tsara fa mampiseho kosa fa manana izany fitiavana izany isika. Raha milefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra isika, dia tsy hiasa mba hahazoana ny fitiavan'Andriamanitra. (...)

 Sokajin'olona roa ihany no misy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny; sokajin'olona roa koa no ho hita eo amin'ny fitsarana: ireo izay mandika ny didin'Andriamanitra ary ireo izay mankatà izany. Zahan'i Kristy toetra isika raha mahatoky na tsia. «Raha lia Ahy hianareo», hoy Izy, «dia hitandrina ny didiko (..) Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no lia Ahy (...)» - RH, 23 Jona 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal