«Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy eto, ambonin 'ny tany iriko tahaka Anao.» - Sal. 73:25.
Mofon’aina:
Ny fanahy izay mandala ny fitiavan'i Kristy dia feno fahafahana, fahazavana, ary fifaliana ao amin'i Kristy. Ao amin'ny fanahy toy izany dia tsy misy fisainana mizarazara. Maniry an'Andriamanitra ny momba azy manontolo. Tsy mankany amin'olombelona izy mba hula saina, fa manatona ny Tompo Jesosy, Ilay loharanon'ny fahendrena rehetra. Mandinika ny Tenin'Andri.amanitra izy mba hahafantarany izay fenitra napetraka ao.
Hahita mpitari-dalana azo antoka kokoa noho ny Tompo Jesosy ve isika? Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fivavahana marina, izay midika hoe: eo ambany fitarihan'Ilay Masina isika amin'ny eritreritra sy ny teny ary ny asantsika. Mandray ny mpikatsaka manetry tena sy mazoto Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, ka manao hoe: Avia hanaraka Ahy. Tarihiny ho eo amin'ny lalana ety mankany amin'ny fahamasinana sy ny lanitra izy. I Kristy no nanokatra io lalana io ho antsika tamin'ny vidiny lafo. Tsy avela hiraparapa ao amin'ny haizina isika. (...) Ary izay rehetra tapa-kevitra hanaraka tanteraka ny Tompo dia hotarihina eo amin'ny lalan'ny mpanjaka, eny, eo amin'ny lalana nosoritan' Andriamanitra ho an'ny voavotra. - Ms, 130, 1897.
Arakaraka ny ianarantsika amin'i Kristy amin'ny alalan'ny Teniny no hahatsapantsika kokoa ny filantsika Azy eo amin'ny fiainantsika. Tsy tokony ho afa-po isika mandra-pahitantsika fitsaharana amin'ny fitondrantsika ny ziogan'i Kristy sy ny entany. Arakaraka ny fahatokiantsika eo am-panompoana Azy no hampitombo ny fitiavantsika Azy, sy ny hankalazantsika Azy. (...) -Ms, 13, 1897.
Manambara amin'izao tontolo izao ny herin'ny fahasoavan' i Kristy isika ankehitriny, eo amin'ny fiovan-toetran'ny olombelona, avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, avy amin'ny toetra ho amin'ny toetra. Miomana ho amin'ny fiaraha-monina amin'ny anjely any an-danitra isika rehefa mibanjina an'i Kristy, Ilay modelintsika madio, masina, sy tsy misy tsiny. Raha i Kristy no ho lohantsika sy Mpanjakantsika rehefa any an-dapan'ny lanitra, dia aoka isika hametra-panontaniana hoe: Iza moa i Kristy ho antsika ankehitriny? Afaka milaza ye isika eo am-pibanjinana ny Mpamonjintsika hoe: "Manana an 'iza moa aho any an-danitra? Ary tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao." (DIEM) - Ms, 13, 1897.