Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lalan'ny mpanjaka

Daty
Zoma 15 May 2026

 «Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy eto, ambonin 'ny tany iriko tahaka Anao.» - Sal. 73:25.

Mofon’aina:
Ny fanahy izay mandala ny fitiavan'i Kristy dia feno fahafahana, fahazavana, ary fifaliana ao amin'i Kristy. Ao amin'ny fanahy toy izany dia tsy misy fisainana mizarazara. Maniry an'Andriamanitra ny momba azy manontolo. Tsy mankany amin'olombelona izy mba hula saina, fa manatona ny Tompo Jesosy, Ilay loharanon'ny fahendrena rehetra. Mandinika ny Tenin'Andri.amanitra izy mba hahafantarany izay fenitra napetraka ao.

Hahita mpitari-dalana azo antoka kokoa noho ny Tompo Jesosy ve isika? Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fivavahana marina, izay midika hoe: eo ambany fitarihan'Ilay Masina isika amin'ny eritreritra sy ny teny ary ny asantsika. Mandray ny mpikatsaka manetry tena sy mazoto Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, ka manao hoe: Avia hanaraka Ahy. Tarihiny ho eo amin'ny lalana ety mankany amin'ny fahamasinana sy ny lanitra izy. I Kristy no nanokatra io lalana io ho antsika tamin'ny vidiny lafo. Tsy avela hiraparapa ao amin'ny haizina isika. (...) Ary izay rehetra tapa-kevitra hanaraka tanteraka ny Tompo dia hotarihina eo amin'ny lalan'ny mpanjaka, eny, eo amin'ny lalana nosoritan' Andriamanitra ho an'ny voavotra. - Ms, 130, 1897.

Arakaraka ny ianarantsika amin'i Kristy amin'ny alalan'ny Teniny no hahatsapantsika kokoa ny filantsika Azy eo amin'ny fiainantsika. Tsy tokony ho afa-po isika mandra-pahitantsika fitsaharana amin'ny fitondrantsika ny ziogan'i Kristy sy ny entany. Arakaraka ny fahatokiantsika eo am-panompoana Azy no hampitombo ny fitiavantsika Azy, sy ny hankalazantsika Azy. (...) -Ms, 13, 1897.

Manambara amin'izao tontolo izao ny herin'ny fahasoavan' i Kristy isika ankehitriny, eo amin'ny fiovan-toetran'ny olombelona, avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, avy amin'ny toetra ho amin'ny toetra. Miomana ho amin'ny fiaraha-monina amin'ny anjely any an-danitra isika rehefa mibanjina an'i Kristy, Ilay modelintsika madio, masina, sy tsy misy tsiny. Raha i Kristy no ho lohantsika sy Mpanjakantsika rehefa any an-dapan'ny lanitra, dia aoka isika hametra-panontaniana hoe: Iza moa i Kristy ho antsika ankehitriny? Afaka milaza ye isika eo am-pibanjinana ny Mpamonjintsika hoe: "Manana an 'iza moa aho any an-danitra? Ary tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao." (DIEM) - Ms, 13, 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal