«Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan 'Andriamanitra, fa ny mpankaiò ny lalàna no hohamarinina.» - Rôm. 2:13.
Mofon’aina:
Maro amin' ireo olona voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ny anarany no tsy misy fiovana marina ny fiainany. Tavela any ivelany ny fahamarinana. Tsy misy ny fiovam-po marina, tsy misy vokany ny asan'ny fahasoavana ao am-po. (...)
Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan'i Kristy sy hanokan-tena ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy mirindra tsara, satria tsy eken'ny Mpanavotra ny hananantsika fo mizarazara. Hianarany isan'andro ny atao hoe mandà tena. Hianarany ny Soratra Masina, hanakarany ny heviny sy hankatoavany ny fitsipiny; amin izany no hahatrarany ny fahatanterahana kristianina. (...) Hiara-miasa aminy isan'andro Andriamanitra mba hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, ka ho tafajoro izy amin'ny fizahan-toetra farany. (...) Vavolombelona eo anatrehan'ny olona sy ny anjely ny fiainany isan'andro, manambara izay azon'ny filazantsara atao ho an'ny olombelona lave.
Aoka isika hikely aina, hitozo amim-pahamatorana amin'ny asa fanavaozana izay tsy maintsy atao eo amin'ny fiainantsika. Andeha hohomboantsika ny "izaho". Hiezaka fatratra hifehy antsika ireo fahazarana tsy marina, nefa afaka mandresy izany isika amin'ny anaran'i Jesosy sy ny heriny. Ho an' izay miambina tsara ny fony araka izay azony atao ny teny fikasana hoe: "Fa matoky aho fa na .fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra an) rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin 'ny fitiavan 'Andriamanitra izay ao amin Kristy Jesosy Tompontsika." — Rôm. 8:38,39. Andriamanitra mihitsy no "hanamarina izay manana finoana an Jesosy" — Rôm. 3:26, "à ty izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa." —Rôm. 8:30.
Na lehibe toy inona aza ny henatra sy ny fitotonganana vokatry ny fahotana, dia ho lehibe lavitra ny voninahitra sy ny fisandratana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra manavotra. Omena haren-tsarobidy avy any an-danitra ny olona izay miezaka hanana fiainana araka ny endrik'Andriamanitra, dia hery lehibe hametraka azy ho ambonin'ireo anjely tsy mbola lave mihitsy aza. — RH, 7 Jolay 1904